1 Man Saag, jaamu Yàlla ak Boroom bi Yeesu Kirist, maa leen di nuyu, yéen fukki giir ak ñaar, yi tasaaroo ci biir àddina si.
1[Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra] Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana.
2 Yéen samay bokk, waxtu wu nattu yi dalee ci seen kaw, ak nu ñu man a mel, defleen ko ni mbég mu réy,
2Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo, [ Na: fizahan-toetra]
3 xam ne nattub ngëm mooy ndeyu muñ.
3satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4 Kon na seen muñ dem ba mat, ngir ngeen bañ a fell fenn, waaye ngeen mat sëkk.
4Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
5 Ku xelam des ci benn fànn ci yéen nag, na ko ñaan Yàlla, te dina ko ko may, ndaxte Yàlla mooy Aji Yéwén, jiy may ñépp ci lu àndul ak genn ŋàññ.
5Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. [ Na: kely fahendrena]
6 Waaye na ko ñaan ci ngëm te bañ cee werante; ndaxte kiy werante mi ngi mel ni ndoxum géej, mi ngelaw liy lëmbaaje wet gu ne.
6Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
7 Bu kooku yaakaar dara ci Boroom bi.
7Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:
8 Ku am xel ñaar la, te ñàkk pasteef ci lépp lu mu man a def.
8olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.
9 Naka mbokk mi néew doole, na sant ci teraangaam fa kanam Yàlla,
9Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
10 te boroom alal it sant cig suufeem, ndax ni tóor-tóor di ruuse, noonu lay wéye.
10fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
11 Su jant fenkee, ba naaj wi tàng, kon gàncax lax, tóor-tóor ruus, te rafetaayam naaw. Noonu la boroom alal di nasaxe, moom ak i jëfam.
11Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany.
12 Ku dékku nattu, ku barkeel nga, ndax boo ci génnee ak ndam, dees na la jagleel kaalag dund, gi Yàlla dig ñi ko bëgg.
12Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
13 Bu la fiir galanee, bul ne: «Yàllaa ko dogal,» ndaxte Yàlla jegewul ak mbon fenn te du fiir kenn.
13Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
14 Waaye ku sa bakkan nax, ba man la, looloo lay dugal ci fiir.
14fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.
15 Kon bu bëgg-bëgg ëmbee, bàkkaar lay wasin, te bu bàkkaar màggee, jur dee.
15Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
16 Yéen sama bokk yi ma bëgg, buleen juum ci lii:
16Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
17 gépp may gu baax ak gépp jagle gu mat, ci Yàlla la jóge, di Baay bi sàkk leeri asamaan, fekk moom du soppiku, mbaa muy leer ak di lëndëm.
17Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.
18 Ci coobareem la nu sole kàddug dëgg gi, ba nu judduwaat, di tànneefu lépp lu mu bind.
18Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
19 Yéen sama bokk yi ma bëgg, nangeen xam lii: ku nekk war ngaa farlu ci déglu, di yéex a wax tey yéex a mer.
19Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
20 Ndaxte meru nit du jur njub gi neex Yàlla.
20fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.
21 Moo tax nanguleen ci woyof kàddu, gi leen Yàlla sol te man leen a musal, di dëddu bépp sobe ak coxor gi daj àddina.
21Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
22 Buleen yem ci déglu kàddu gi rekk, di nax seen bopp; waaye jëfeleen ko.
22Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
23 Ndaxte ku déglu kàddu gi, te bañ koo jëfe, moom ak kuy seetu ñoo yem;
23Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy;
24 day gis xar-kanamam, te su nee wërëñ, daldi fàtte meloom.
24fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.
25 Waaye kuy gëstu yoonu Yàlla, wi mat tey goreel --waxuma ki dégg, ba noppi fàtte, waaye kiy jëfe ndigal — kooku barkeel na ci kaw jëfam.
25Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
26 Ku yaakaar ne am na diine, waaye moomul làmmiñam, xanaa di nax boppam rekk, diineem jooju du diiney dara.
26Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
27 Ku diineem sell te amul benn gàkk fa kanam Yàlla mooy kii: ki nemmiku jiirim yi ak jigéen ñi seen jëkkër faatu ci seeni tiis, tey waggar sobey àddina.
27Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.