1 Noonu ma gis meneen malaaka mu am doole, muy wàcce asamaan, làmboo niir. Xon tiim ko, te xar-kanamam mel ni jant, te ay tànkam mel ni jumi safara.
1[Ny teny nentin'ny anjely anankiray, ary ny amin'ny kotrokorana fito sy ny boky kely] Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,
2 Yor na benn téere bu ndaw bu ñu ubbi. Mu teg tànku ndeyjooram ci géej gi, tànku càmmooñam ci suuf si,
2ary nitàna boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin'ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin'ny tany;
3 di xaacu, mel ni gaynde guy yëmmu. Naka la xaacu, juróom-ñaari dënnu yi jib.
3ary niantso tamin'ny feo mahery izy, tahaka ny fieron'ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.
4 Naka la juróom-ñaari dënnu yi di jib, may waaj a bind, waaye ma dégg baat bu jóge asamaan, naan ma: «Li juróom-ñaari dënnu yi wax, na nekk kumpa, bu ko bind.»
4Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana.
5 Noonu malaaka ma ma gis, mu taxaw ci géej gi ak suuf si, yékkati loxol ndeyjooram, mu jëm asamaan,
5Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin'ny lanitra
6 daldi waat ci kiy dund ba fàww, ki sàkk asamaan ak suuf ak géej ak li ci nekk lépp; mu ne: «Négandiku wees na,
6ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony; [ Na: tsy ho ela]
7 waaye jamono ju juróom-ñaareelu malaaka ma wolee ci liitam, ndogalu Yàlla dina mat, ni mu ko waxe woon ay jaamam, yonent yi.»
7fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony
8 Ci kaw loolu baat, ba ma déggoon ca asamaan waxaat ak man, ne ma: «Demal jël téere bi ñu ubbi ci loxob malaaka, mi taxaw ci géej gi ak suuf si.»
8Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo ambonin'ny tany.
9 Ma dem ca malaaka ma, laaj ko téere bu ndaw boobu. Mu ne ma: «Jël ko te lekk ko. Dina wex ci sa biir, waaye dina neex ni lem ci sa gémmiñ.»
9Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.
10 Noonu ma jël téere bi ci loxob malaaka mi, daldi ko lekk, mu neex ci sama gémmiñ ni lem, waaye bi ma ko wannee, mu wex xat ci sama biir.
10Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan'ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
11 Gannaaw loolu ñu ne ma: «Fàww nga wax ci kàddug Yàlla lu jëm ci réew yu bare, xeet yu bare, kàllaama yu bare ak buur yu bare.»
11Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.