Wolof: New Testament

Malagasy

Revelation

20

1 Noonu ma gis malaaka mu wàcce ca asamaan, yor caabiy kàmb ga ak càllala gu réy.
1[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
2 Mu jàpp ninkinànka ja, di jaani cosaan ja, muy Tuumaalkat bi, maanaam Seytaane. Malaaka ma yeew ko diirub junniy at,
2dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
3 sànni ko ci kàmb gi, tëj ko, sakk bunt bi ko tiim ci kaw. Noonu du nax xeet yi, ba kera junniy at yi di mat. Gannaaw loolu fàww ñu yiwi ko diir bu gàtt.
3dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
4 Noonu ma gis ay gàngune, ñu jox ña ca toog sañ-sañu àtte. Noonu ma gis ruuwi ñi ñu bóomoon ndax li ñu doon seedeel Yeesu te gëm kàddug Yàlla. Ñooñu jaamuwuñu rab wa mbaa nataalam, te nanguwuñoo am màndargam rab wa ca seen jë mbaa seen loxo. Ñu daldi dekki, nguuru ak Kirist diirub junniy at.
4Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.
5 Yeneen néew yi duñu dekki, fi ak junniy at yi matul. Loolu moo di ndekkite lu jëkk li.
5Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
6 Ñi bokk ci ndekkite lu jëkk li, barkeel nañu te sell! Ñaareelu dee gi du leen manal dara. Waaye dinañu doon saraxalekati Yàlla ak Kirist, tey nguuru ak moom junniy at.
6Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
7 Bu junniy at ya matee, dinañu yiwi Seytaane ca kasoom,
7Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany
8 te dina dem naxi xeet yi ci ñeenti xeblay àddina, maanaam ñoom Gog ak Magog. Dina leen dajale ngir xare, te dinañu bare ni peppi suuf cig tefes.
8ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
9 Dinañu sam suuf sépp, di wër dalu gaayi Yàlla yi ak dëkk, bi Yàlla bëgg. Waaye safara daldi jóge asamaan, lakk leen.
9Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. [ Na: (afo avy amin'Andriamanitra)]
10 Dees na jàpp Seytaane, mi leen daan nax, sànni ko ci déegu safara ak tamarax bi, mu fekki rab wa ak naaféq ba mbubboo yonent. Foofa dinañu leen mbugal guddi ak bëccëg ba fàww.
10Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo.
11 Noonu ma gis gàngune mu mag te weex, ak ka ca toog. Asamaan ak suuf daw, sore ko, ba ne mes.
11Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
12 Ma gis néew ya, mag ak ndaw, ñu taxaw ca kanamu gàngune ma. Ñu daldi ubbi ay téere, ubbi itam beneen téere, téereb dund bi. Ñu àtte néew ya, ku nekk ci say jëf, ni ñu ko binde woon ca téere ya.
12Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany.
13 Noonu géej gëq néew, yi nekkoon ci moom; dee ak barsàq delloo néew, ya ñu yoroon. Ñu àtte ñépp ci seeni jëf.
13Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [ Gr. Hadesy]
14 Ñu jàpp dee ak barsàq, sànni ca déegu safara sa. Déegu safara soosu moo di ñaareelu dee.
14Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [ Gr. Hadesy]Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
15 Képp ku ñu bindul sa tur ci téereb dund bi, dees na la sànni ci déegu safara si.
15Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.