Wolof: New Testament

Malagasy

Revelation

5

1 Noonu ma gis ca loxol ndeyjooru ka toog ca gàngune ma téere bu ñu bind biir ak biti, tay ko juróom-ñaari yoon ak sondeel.
1[Ny nandraisan'ny Mpanavotra ny boky izay nisy tombo-kase fito, sy ny hira natao ho fiderana Azy] Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
2 Noonu ma gis malaaka mu am doole, muy xaacu naan: «Ku yeyoo dindi tayu yi te ubbi téere bi?»
2Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
3 Te amul kenn, muy ci asamaan, muy ci kaw suuf, muy ci biir suuf, ku manoon a ubbi téere bi, mbaa mu xool ci biir.
3Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
4 Ma jooy jooy yu metti ndax li kenn yeyoowul woon a ubbi téere bi mbaa mu xool ko.
4Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
5 Noonu kenn ca mag ña ne ma: «Bul jooy. Xoolal, Gayndeg giiru Yuda, ki soqikoo ci Daawuda, daan na, ba am sañ-sañu dindi tayu yi te ubbi téere bi.»
5Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. [ Gr. presbytera]
6 Noonu ma gis Mbote mu mel ni dañu koo rendi woon, mu taxaw ca digg gàngune ma, ñeenti mbindeef ya séq ko, mag ña wër ko. Mbote ma amoon na juróom-ñaari béjjén ak juróom-ñaari bët, ñu di juróom-ñaari Xeli Yàlla, yi ñu yónni ci àddina sépp.
6Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. [ Gr. presbytera]
7 Mbote ma ñëw, jël téere, ba nekkoon ca loxol ndeyjooru ka toog ca gàngune ma.
7Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
8 Ba mu jëlee téere ba, ñeenti mbindeef ya ak ñaar-fukki mag ña ak ñeent daldi dëpp seen jë ca kanam Mbote ma, ku nekk yor xalam. Ñu yor it andi wurus yu fees ak cuuraay, yu doon misaal ñaani gaayi Yàlla ya.
8Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. [ Gr. presbytera]
9 Ñu daldi woy woy wu bees naan:«Yeyoo ngaa jël téere bite dindi tayu yi,ndaxte reyees na la,te jotal nga Yàlla ak sa deretay nit ñu bokk ci bépp giir,kàllaama, réew ak xeet.
9Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
10 Def nga leen askanu saraxalekatiBuur Yàlla sunu Boroom,di ko jaamu,te dinañu nguuru ci àddina.»
10Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy.
11 Ma xool noonu, dégg baatu malaaka yu bare yu ëppoon alfunniy alfunniy junniy junni. Malaaka ya wër gàngune ma ak mbindeef ya ak mag ña.
11Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, [ Gr. presbytera]
12 Ñuy xaacu naan:«Mbote ma ñu rendi woonyeyoo na kàttan, alal, xel,doole, teraanga, ndam ak cant.»
12nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
13 Ma dégg itam mbindeef, yi nekk ci asamaan, ci kaw suuf, ci biir suuf, ci géej gi, — mbindeef yépp naan:«Na cant, teraanga, ndam ak nguurféete ak ki toog ci gàngune mi,ak Mbote mi ba fàww.»
13Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka. [ Gr. presbytera]
14 Ñeenti mbindeef ya naan: «Amiin.» Mag ña sukk di màggal.
14Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka. [ Gr. presbytera]