1 Gannaaw loolu ma gis ñeenti malaaka yu taxaw ci ñeenti xeblay àddina si. Ñu téye ñeenti ngelawi àddina, ngir ngelaw du wol ci kaw suuf, ci géej mbaa ci genn garab.
1[Ny niarovana ny Isiraely marina mba tsy hosimban'ny loza ho avy, sy ny fahasambaran'ny tonga any an-danitra ka afaka amin'ny fahoriana lehibe] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.
2 Ma gis it meneen malaaka, muy yéeg, jóge penku, yor màndargakaayu Yàlla jiy dund. Mu daldi wax ak baat bu xumb ñeenti malaaka ya ñu joxoon sañ-sañ, ñu yàq suuf ak géej,
2Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:
3 ne leen: «Buleen yàqagun suuf si ak géej gi ak garab yi. Négleen, ba ñu def màndarga ci jëwu ñiy jaamu Yàlla sunu Boroom.»
3Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.
4 Noonu ma dégg limub ñi ñu màndargaal; ñu tollu ci téeméer ak ñeent-fukk ak ñeent ci ay junni. Ñu jóge ci giiri bànni Israyil yépp:
4Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'isiraely rehetra.
5 Fukki junni ak ñaar lañu màndargaal ci biir giiru Yuda,fukki junni ak ñaar ci giiru Ruben,fukki junni ak ñaar ci giiru Gàdd,
5Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina.
6 fukki junni ak ñaar ci giiru Aser,fukki junni ak ñaar ci giiru Neftali,fukki junni ak ñaar ci giiru Manase,
6Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina.
7 fukki junni ak ñaar ci giiru Simeyon,fukki junni ak ñaar ci giiru Lewi,fukki junni ak ñaar ci giiru Isakaar,
7Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'Isakara roa arivo amby iray alina.
8 fukki junni ak ñaar ci giiru Sabulon,fukki junni ak ñaar ci giiru Yuusufa,fukki junni ak ñaar ci giiru Ben-yamin.
8Avy tamin'ny firenen'i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
9 Gannaaw loolu ma xool, gis mbooloo mu réy, ba kenn mënu koo waññ, ñu bokk ci xeet yépp, giir yépp, réew yépp ak kàllaama yépp, taxaw ca kanamu gàngune ma ak Mbote ma. Ñu sol ay mbubb yu weex, di màggal te di yengal ay cari garab ci seeni loxo,
9Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
10 naan:«Mucc gaa ngi ci Yàllasunu Boroom, bi toog ci gàngune mi,ak ci Mbote mi!»
10dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry.
11 Noonu malaaka yépp taxaw, wër gàngune ma ak mag ña ak ñeenti mbindeef ya. Ñu dëpp seen jë ca kanamu gàngune ma, di jaamu Yàlla,
11Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra [ Gr. presbytera]
12 naan:«Amiin. Na cant ak ndam, xel ak ngërëm, teraanga, kàttan ak dooleféete ak Yàlla sunu Boroom ba fàww. Amiin!»
12nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
13 Noonu kenn ca mag ña ne ma: «Ñi sol mbubb yu weex yi, ñooy ñan ak fan lañu jóge?»
13Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? [ Gr. presbytera]
14 Ma ne ko: «Sang bi, xanaa yaa ko xam.» Mu ne ma: «Ñoo di ñi jóge ca metit wu réy wa. Fóot nañu seeni mbubb, ba weexal ko ci deretu Mbote ma.
14Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.
15 Loolu moo taxñu nekk ci kanamu gàngunem Yàlla,di ko jaamu guddi ak bëccëg ci këram,te ki toog ci gàngune mi dina leen yiir.
15Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
16 Dootuñu xiif, dootuñu mar.Jant mbaa weneen tàngaay du leen lakk,
16Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8).
17 ndaxte Mbote mi nekk ci diggu gàngune mi dina leen sàmm,yóbbu leen ca bëti ndoxum dund ma,te Yàlla dina fomp bépp rangooñ ci seeni bët.»
17Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8).