1Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.2Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny [Heb. Malambolambo]3Amin'izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?4Niteniteny foana izy tamin'ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.5Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,6[Ary ny mpisorony mangovitra noho ny aminy, dia noho ny amin'ny voninahiny, fa lasan-ko babo izany] Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.7Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin'ny rano.8Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.9Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.10Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.11Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.[Heb. hihoarako]12Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.[Na: Miasà tany vaovao ho anareo][Na: hampianarany anareo ny fahamarinana]13Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo ianareo.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]14Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]Toy izany no hataon'i Betela aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]15Toy izany no hataon'i Betela aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]