Malagasy

Job

20

1[Ny teny fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:2Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga]3Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.4Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,5Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?446Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,7Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain'omby atainy]8Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.9Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.10Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.11Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.[Na: ota tsy fantatra]12Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,13Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,14Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.15Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.16Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.17Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.18Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.20Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.21Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.22Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.23Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.24Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;25Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.26Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.27Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,28Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.29Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.