1[Fahatokian'izay manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy] Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy]2Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.4Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.5Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.7Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.