1[Fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.2Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.[Heb. Andriamanitry ny andriamanitra]3Miderà ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;4Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),5Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),6Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),7Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),8Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),9Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),10Izay namely ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)11Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),12Tamin'ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),14Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),15Fa nanary an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),16Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),17Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),18Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),19Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),20Sy Oga, mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),21Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),22Dia ho lovan'ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),23Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),24Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),25Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.26Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.