1[Fangataham-piarovana noho ny ataon'ny olona ratsy fanahy sy fetsy vava] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin'ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe,2Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan'andro3Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony.4Jehovah ô, vonjeo amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.5Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.6Hoy izaho tamin'i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon'ny fifonako, Jehovah ô!7Jehovah, Tompo ô, ry Herin'ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana Hianao.8Jehovah ô, aza manome ny irin'ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy.9Ny lohan'izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan'ny ratsy tononin'ny molony.10Aoka hisy vain'afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin'ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.11Tsy hampitoerina amin'ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.12Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin'ny mahantra Sady hanome rariny ho an'ny malahelo.Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.13Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.