Malagasy

Psalms

147

1[Haleloia ho an'ny Mpanohana izao rehetra izao, Izay nampody ny fahatsaran'i Jerosalema] Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.2Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.4Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.5Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.6Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.7Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,8Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,9Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina.10Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.11Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.12Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.13Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.14Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.15Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.16Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.[Heb. volon'ondry]17Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?18Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.19Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.20Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.