Malagasy

Psalms

26

1[Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.2Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.3Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.4Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.5Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.6Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,7Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.8Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.9Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,10Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.11Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.12Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.