1[Fivavaky ny olona anarin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.2Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.3Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?4Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.5Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?[Heb. Sheola]6Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.7Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.8Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.9Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.10Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.