Malagasy

Psalms

77

1[Fahatsiarovana ny amin'ny taon-dasa ho enti-mampionona ny fo, raha mila ho reraka] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.2Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.3Ta-hahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.4Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.5Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.6Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:7Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?8Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?9Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?10Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon']11Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;12Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.13Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana]14Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.15Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.16Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.17Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.18Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia]19Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.20Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.