Malagasy

Psalms

95

1[Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.2Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.3Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.4Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.5Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.6Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika;7Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra,[Na: Anio raha hihaino ny feony ianareo, dia aza]9Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.10Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.11Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.