1行淫乱的人应当赶出教会听说你们中间竟然有淫乱的事,这样的淫乱在教外人中间都没有,就是有人和他的继母同居。
1[Anatra noho ny tsy nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta] Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
2你们还是自高自大!难道你们不该觉得痛心,把作这件事的人从你们中间赶出去吗?
2Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
3我身体虽然不在你们那里,心灵却与你们在一起,好像我亲身在那里审判了作这件事的人,
3Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
4就是当你们奉我们主耶稣的名聚集在一起,我的灵在那里,我们主耶稣的权能也同在的时候,
4amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika - rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban'ny herin'i Jesosy Tompontsika -
5要把这样的人交给撒但,败坏他的身体,使他的灵魂在主的日子可以得救。
5hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesosy Tompo.
6你们这样自夸是不好的。你们不知道一点面酵能使全团面发起来吗?
6Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?
7你们既是无酵的面,就应当把旧酵除净,好让你们成为新的面团;因为我们逾越节的羊羔基督已经被杀献祭了。
7Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
8所以我们守这节,不可用旧酵,也不可用又邪又恶的酵,而是要用纯洁真实的无酵饼。
8ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
9我以前写信告诉你们,不可与淫乱的人来往。
9Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga;
10这话当然不是指这世上行淫乱的、贪心的、勒索的,或拜偶像的人;如果是这样,你们就非脱离这世界不可。
10nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo.
11但现在我写信告诉你们,如果有称为弟兄,却是行淫乱、贪心、拜偶像、辱骂人、醉酒或勒索的,这样的人,不可和他来往,连和他吃饭都不可。
11Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo.
12审判教外的人,跟我有什么关系?教内的人不是你们审判的吗?
12Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.
13至于教外的人, 神会审判他们。你们要把那恶人从你们中间赶出去。
13Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.