聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

1 Corinthians

6

1信徒的争执应由教会审判
1[Ny tsy mahamety ny miady eo anatrehan'ny tsy mino] Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina?
2你们不知道圣徒要审判世界吗?既然世界要由你们来审判,难道你们不配审判这些最小的事吗?
2Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo?
3你们不知道我们要审判天使吗?何况今生的事呢?
3Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
4你们既然要审判今生的事,为什么让教会不重视的人来审判呢?
4Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
5我说这话,是要使你们羞愧。难道你们中间没有一个有智慧的人,能够审判弟兄之间的事吗?
5Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny?
6你们竟然是弟兄告弟兄,而且告到不信的人面前去吗?
6Fa ny rahalahy mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza.
7你们彼此告状,已经是你们的失败了。为什么不宁愿受委屈呢?为什么不甘心吃亏呢?
7Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? [ Na: matiantoka mihitsy ny fanahinareo, raha manana]
8但你们反倒使人受委屈,叫人吃亏,而且他们就是你们的弟兄。
8Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
9你们不知道不义的人不能承受 神的国吗?不要自欺,无论是行淫乱的、拜偶像的、奸淫的、作娈童的、亲男色的、
9Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita [ Izahao Lev.18.22]
10偷窃的、贪心的、醉酒的、辱骂人的或勒索的,都不能承受 神的国。
10sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
11你们有些人从前也是这样的,但现在借着我们主耶稣基督的名,靠着我们 神的灵,都已经洗净了,圣洁了,称义了。
11Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. [ Gr. efa nanasa tena]
12要用身体荣耀 神什么事我都可以作,但不是都有益处。什么事我都可以作,但我不要受任何事的辖制。
12[Ny amin'ny fijangajangana tsy azo atao ho isan'ny zavatra tsy mampaninona, tahaka ny hanina samy hafa] Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
13食物是为了肚腹,肚腹是为了食物;但 神却要把这两样都废掉。身体不是为了淫乱,而是为了主,主也是为了身体。
13Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena.
14 神不但使主复活了,也要用他的能力使我们复活。
14Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny.
15你们不知道你们的身体就是基督的肢体吗?这样,我们可以把基督的肢体当作娼妓的肢体吗?当然不可以!
15Tsy fantatrareo va fa momba ny tena'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany!
16你们不知道那跟娼妓苟合的,就是与她成为一体了吗?因为经上说:“二人要成为一体。”
16Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
17但那与主联合的,就是与他成为一灵了。
17Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
18你们要逃避淫乱的事。人所犯的,无论是什么罪,都是在身体以外,唯有行淫乱的,是触犯自己的身体。
18Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany.
19你们不知道你们的身体就是那位住在你们里面的圣灵的殿吗?这圣灵是你们从 神那里领受的。你们不是属于自己的,
19Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo.Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
20因为你们是用重价买来的。所以你们务要用自己的身体荣耀 神。
20Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.