聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

1 Corinthians

7

1婚姻的问题
1[Ny amin'ny fanambadiana] Ary ny amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
2但为了避免淫乱的事,男人应当各有自己的妻子,女人也应当各有自己的丈夫。
2Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
3丈夫对妻子应该尽他的本分,妻子对丈夫也应当这样。
3Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy.
4妻子对自己的身体没有主权,权在丈夫;照样,丈夫对自己的身体也没有主权,权在妻子。
4Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy.
5夫妻不可彼此亏负,除非为了要专心祷告,双方才可以同意暂时分房。以后仍要同房,免得撒但趁着你们情不自禁的时候诱惑你们。
5Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
6我说这话是容许你们,并不是命令。
6Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.
7我愿人人都像我一样;只是各人有各人从 神得来的恩赐,有人是这样,有人是那样。
7Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra ary avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa.
8我现在要对未婚的人和寡妇说,他们若保持像我这样就好了;
8Fa hoy izaho amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.
9但如果不能自制,就应当结婚,因为结婚总比欲火焚身好。
9Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.
10我要吩咐已婚的人(其实不是我,而是主吩咐的),妻子不可离开丈夫。
10Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy,
11如果离开了,就不可再嫁,不然,就要跟丈夫复合。丈夫也不可离弃妻子。
11(nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy.
12我要对其余的人说(是我说的,不是主说的),倘若某弟兄有不信的妻子,而她也情愿和他住在一起,他就不要离弃她。
12Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.
13如果妻子有不信的丈夫,而他也情愿和她住在一起,她也不要离弃丈夫。
13Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy.
14因为不信的丈夫因着妻子成为圣洁,不信的妻子也因着那个弟兄成为圣洁了。不然,你们的儿女就是不洁净的,但现在他们都是圣洁的了。
14Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy.
15如果那不信的要离去,就由他离去吧;在这种情形之下,信主的弟兄或姊妹都不必勉强。 神呼召你们,是要你们和睦。
15Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana.
16你这作妻子的,你怎么知道不能救你的丈夫呢?你这作丈夫的,你怎么知道不能救你的妻子呢?
16Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?
17保持蒙召时的身分不过,主怎样分给各人, 神怎样呼召各人,各人就要照着去行事为人。我也这样吩咐各教会。
17Kanefa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjarany nomen'ny Tompo azy sy araka ny niantsoan'Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako ao amin'ny fiangonana rehetra.
18有人受了割礼而蒙召的吗?他就不要遮掩割礼的记号。有人未受割礼而蒙召的吗?他就不要受割礼。
18Misy nantsoina voafora va? Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Misy antsoina tsy voafora va? Aoka izy tsy hoforana.
19割礼算不得什么,没有割礼也算不得什么,要紧的是遵守 神的命令。
19Tsinontsinona ny famorana, ary tsinontsinona ny tsi-famorana; fa ny mitandrina ny didin'Andriamanitra no izy.
20各人蒙召的时候怎样,他就应当保持原来的情况。
20Aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo amin'izay toetra efa niantsoana azy ihany.
21你蒙召的时候是作奴仆的吗?不要为此烦恼。但如果你能够得到自由,就要把握这机会。
21Nantsoina va ianao raha mbola mpanompo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao, aleo izany. [ Na: fa na dia misy hahafahanao, dia aleo manompo ihany]
22因为作奴仆的蒙了主的呼召,就是属于主的自由人了;照样,自由的人蒙了呼召,他就是基督的奴仆了。
22Fa ny andevo izay voantso ao amin'ny Tompo dia olona afaka an'ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voantso dia mpanompon'i Kristy.
23你们是用重价买来的,不要作人的奴仆。
23Fa olom-boavidy ianareo, ka aza mety ho andevon'olona.
24弟兄们,你们各人蒙召的时候怎样,就应当在 神面前保持这原来的情况。
24Ry rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra amin'Andriamanitra ao amin'izay niantsoana azy avy.
25未婚、守独身、守寡的问题关于守独身的女子,我没有主的命令,但我既然蒙了主的怜悯,成为可信靠的人,就把我的意见提出来。
25Fa ny amin'ny virijina dia tsy manana didy avy amin'ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro tahaka izay niantran'ny Tompo ahy ho mahatoky.
26为了目前的困难,我认为人最好能保持现状。
26Koa izao no ataoko fa tsara amin'ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra toy izao ihany.
27你已经有了妻子吗?就不要想摆脱。你还没有妻子吗?就不要去找妻子。
27Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady.
28如果你娶妻子,这不是犯罪;如果处女出嫁,也不是犯罪。不过,这样的人要受肉体上的苦难,我却不愿你们受这苦难。
28Nefa na dia hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.
29弟兄们,我是说时候不多了。从今以后,有妻子的要像没有妻子的,
29Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin'izao sisa izao; [ Gr. nohafohezina]
30哀哭的要像不哀哭的,快乐的要像不快乐的,买了东西的要像一无所得的,
30ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy;
31享用世上百物的要像没有享用的一样,因为这世上的情况都要过去。
31ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon'izao fiainana izao.
32我愿你们无所挂虑。没有娶妻子的人,挂念的是主的事,想怎样去得主喜悦;
32Fa tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
33但娶了妻子的人是为世上的事挂虑,想怎样去讨妻子的欢心,
33Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.
34这样他就分心了。没有结婚的妇女和守独身的女子,挂念的是主的事,好让身体和心灵都成为圣洁;但结了婚的妇女是为世上的事挂虑,想怎样去讨丈夫的欢心。
34Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
35我说这话,是为了你们自己的益处;我不是要限制你们,而是要你们作合宜的事,一心一意地对主忠诚。
35Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin'ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo, ka tsy hivezivezen'ny sainareo.
36如果有人认为是亏待了自己的女朋友,她也过了结婚的年龄,而他觉得应当结婚,他就可以照着自己的意思去作,这不是犯罪;他们应该结婚。
36Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony anambadian'ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy. [ Gr. aoka hivady ireo]
37但如果他心里坚决,没有什么不得已的原因,又可以控制自己的意志,决心让女朋友持守独身;这样作也是好的。
37Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zananivavy virijina, dia hanao tsara izy.
38所以,那跟自己的女朋友结婚的,作得好,那不结婚的,作得更好。(或译:“36如果有人认为待自己的女儿不合适,她也过了结婚的年龄,而且应当这样行,他就可以照着自己的意思去作,让她们结婚,这不是犯罪。37但如果他心里坚定,没有什么不得已的原因,又有权作主,决心留下自己的女儿,这样作也是好的。38所以,那让自己女儿出嫁的,作得好,那不让女儿出嫁的,作得更好。”)
38Ka izay manome ny zanany virijina hampakarina dia manao tsara, ary izay tsy manome azy hampakarina no manao tsaratsara kokoa.
39丈夫活着的时候,妻子是受约束的;丈夫若死了,她就可以自由地嫁给她愿意嫁的人,只是要嫁给主里的人。
39Ny vavy voafehin'ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin'ny Tompo ihany.Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin'Andriamanitra.
40然而照我的意见,倘若她能守节,就更有福了。我想我这话也是 神的灵感动的。
40Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin'Andriamanitra.