聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Acts

1

1吩咐门徒等候圣灵
1[Fitarihan-teny sy filazana ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy nampianariny,
2一直到他借着圣灵吩咐所拣选的使徒之后,被接上升的日子为止。
2hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny,
3他受难以后,用许多凭据向使徒显示自己是活着的。他向使徒显现,并且讲论 神的国的事,有四十天之久。
3sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
4耶稣和他们一同吃饭的时候,吩咐他们不要离开耶路撒冷,说:“你们要等候父的应许,就是你们听我讲过的,
4Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [Na: niara-nihinana]
5约翰是用水施洗,但再过几天,你们要受圣灵的洗。”
5fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.
6耶稣升天他们聚集的时候,问耶稣说:“主啊,你要在这时候使以色列复国吗?”
6Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?
7耶稣说:“父凭着自己的权柄所定的时间或日期,你们不必知道。
7Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany. [Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany]
8可是圣灵降临在你们身上,你们就必领受能力,并且要在耶路撒冷、犹太全地、撒玛利亚,直到地极,作我的见证人。”
8Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
9说完了,他们还在看的时候,他被接上升,有一朵云把他接去,就看不见他了。
9Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.
10当他往上升,他们定睛望天的时候,忽然有两个人,身穿白衣,站在他们旁边,说:
10Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
11“加利利人哪,为什么站着望天呢?这位被接升天离开你们的耶稣,你们看见他怎样往天上去,他也要怎样回来。”
11izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
12选出马提亚作使徒后来,他们从橄榄山回到耶路撒冷。那山靠近耶路撒冷,有一安息日可走的路程。
12Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
13他们进了城,上了一间楼房,就是彼得、约翰、雅各、安得烈、腓力、多马、巴多罗迈、马太、亚勒腓的儿子雅各、激进派的西门、雅各的儿子犹大等人所住的。
13Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak'i Jakoba. [ Na: rahalahin']
14这些人和几个妇女,耶稣的母亲马利亚,还有他的兄弟们,都在一起,同心地恒切祷告。
14Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.
15那时,约有一百二十人聚会,彼得在众弟兄中间站起来说:
15[Ny nifidianan'ny Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an'i Jodasy] Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo) ka nanao hoe: [Gr. anarana]
16“弟兄们,经上的话,就是圣灵借着大卫的口,预言那领人捉拿耶稣的犹大的事,是一定会应验的。
16Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy;
17他本是我们中间的一个,一同领受了这职分。
17fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa.
18他用不义的酬劳买了一块田,结果倒头栽了下去,腹破肠流。
18Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19这事住在耶路撒冷的人全都知道,所以按当地的话,那块地称为亚革大马,意思就是‘血田’。
19Ary fantatr'izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
20因为诗篇上写着:‘愿他的住处变为荒场,无人居在其中。’又说:‘愿别人取代他的职分。’
20Fa voasoratra eo amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal. 109. 8).
21所以,从约翰施洗起,直到主离开我们被接上升的那天为止,当他在我们中间来往的时候,那些跟我们常在一起的人中,应该有一个人出来与我们一同作耶稣复活的见证人。”
21Koa amin'ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
22
22hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany.
23于是他们提出两个人:约瑟(号称巴撒巴,又名犹士都)和马提亚,
23Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
24就祷告说:“主啊!你知道万人的心,求你从这两个人中,指明你要拣选谁,
24Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto,
25来承担这使徒的职位和工作。这职位犹大已经放弃,往他自己的地方去了。”
25mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany.Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
26大家就为他们抽签,结果抽中了马提亚,他就与十一使徒同列。
26Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.