1耶稣在海边向七个门徒显现
1Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny mpianatra indray Jesosy teo amoron'ny Ranomasin'i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
2当时西门.彼得、称为“双生子”的多马、加利利的迦拿人拿但业、西庇太的两个儿子,和另外两个门徒都聚在一起。
2Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak'i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
3西门.彼得对他们说:“我要打鱼去。”他们说:“我们也跟你一起去。”于是他们出去,上了船,可是那一夜他们并没有打到什么。
3Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.
4清早的时候,耶稣站在岸边;门徒却不知道他就是耶稣。
4Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
5耶稣对他们说:“孩子们,打到鱼没有?”他们回答:“没有。”
5Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia. [Gr. laoka]
6耶稣说:“把网撒在船的右边,就可以得着。”他们就把网撒下去,可是拉不上来,因为鱼太多。
6Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano.
7耶稣所爱的那门徒对彼得说:“是主!”西门.彼得一听见是主,就立刻束上外衣(因为他当时赤着身子),纵身跳进海里。
7Ary hoy ny mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera: Ny Tompo iry . Ary raha ren'i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin'ny ranomasina izy.
8其他的门徒,因为离岸不远(约有一百公尺),就坐在小船上,把那网鱼拖过来。
8Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
9他们上了岸,就看见那里有一堆炭火,上面有鱼有饼。
9Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon'arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo.
10耶稣对他们说:“把你们刚才打的鱼拿几条来。”
10Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin'ireo vao azonareo teo.
11西门.彼得就上船,把网拉到岸上;那网满了大鱼,共有一百五十三条。鱼虽然这么多,网却没有破。
11Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
12耶稣对他们说:“你们来,吃早饭吧。”门徒中没有一个人敢问他:“你是谁?”因为知道他是主。
12Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy.
13耶稣走过来,拿饼递给他们,又照样拿鱼递给他们。
13Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray.
14这是耶稣从死人中复活之后,第三次向门徒显现。
14Izany no fanintelon'ny nisehoan'i Jesosy tamin'ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.
15耶稣三次问彼得是否爱他他们吃了早饭,耶稣问西门.彼得:“约翰的儿子西门,你爱我比这些更深吗?”他回答:“主啊,是的,你知道我爱你。”耶稣说:“你喂养我的小羊。”
15Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
16耶稣第二次又问他:“约翰的儿子西门,你爱我吗?”他回答:“主啊,是的,你知道我爱你。”耶稣说:“你牧养我的羊。”
16Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
17耶稣第三次问他:“约翰的儿子西门,你爱我吗?”彼得因为耶稣第三次问他:“你爱我吗?”就忧愁起来,对耶稣说:“主啊,你是无所不知的,你知道我爱你。”耶稣说:“你喂养我的羊。
17Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
18我实实在在告诉你,你年轻的时候,自己束上腰带,随意往来;但到了年老的时候,你要伸出手来,别人要把你绑着,带你到你不愿意去的地方。”
18Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao.
19耶稣说这话,是指明彼得将怎样死,来荣耀 神。说了这话,就对彼得说:“你跟从我吧!”
19Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
20耶稣所爱的那门徒彼得转过身来,看见耶稣所爱的那门徒跟着,就是在晚饭的时候,靠着耶稣的胸膛,问“主啊,出卖你的是谁?”的那个人。
20Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
21彼得看见他,就问耶稣:“主啊,这个人将来怎么样?”
21Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity?
22耶稣回答他:“如果我要他活到我来的时候,跟你有什么关系呢?你只管跟从我吧!”
22Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.
23于是这话流传在弟兄中间,说那门徒不会死。其实耶稣并没有说他不会死,只是说:“如果我要他活到我来的时候,跟你有什么关系呢?”
23Ary niely tamin'ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?
24为这些事作证,并且记述这些事的,就是这门徒;我们知道他的见证是真实的。
24Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.
25耶稣所行的,还有许多其他的事;如果都一一写下来,所要写成的书,我想就是这个世界也容不下了。
25Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.