聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

John

20

1耶稣复活(太28:1-8;可16:1-8;路24:1-10)
1Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana.
2她就跑去见西门.彼得,和耶稣所爱的那个门徒,对他们说:“有人把主从坟墓里搬走了,我们不知道他们把他放在哪里。”
2Dia nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
3彼得和那门徒就动身,到坟墓那里去。
3Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana.
4两个人一齐跑,那门徒比彼得跑得快,先到了坟墓,
4Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana.
5屈身向里面观看,看见细麻布还在那里,但他却没有进去。
5Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
6西门.彼得随后也到了;他进入坟墓,看见细麻布还放在那里,
6Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
7也看见耶稣的裹头巾,没有和细麻布放在一起,而是卷着放在一边。
7ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
8那时,先到坟墓的那门徒也进去,他看见,就信了。
8Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.
9他们还不明白经上所说“他必须从死人中复活”这句话的意思。
9Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.
10于是两个门徒就回家去了。
10Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
11向抹大拉的马利亚显现(太28:9-10;可16:9-11)马利亚站在坟墓外面哭泣。她哭的时候,屈身往里面观看,
11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
12看见两个身穿白衣的天使,坐在安放耶稣身体的地方,一个在头那边,一个在脚那边。
12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
13天使问她:“妇人,你为什么哭?”她说:“有人把我的主搬走了,我不知道他们把他放在哪里。”
13Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
14马利亚说了这话,就转过身来,看见耶稣站在那里,却不知道他就是耶稣。
14Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
15耶稣对她说:“妇人,你为什么哭?你找谁呢?”马利亚以为耶稣是园丁,就对他说:“先生,如果是你把他挪去了,请告诉我你把他放在什么地方,我好去搬回来。”
15Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
16耶稣对她说:“马利亚!”她转过身来,用希伯来话对他说:“拉波尼!”(就是“老师”的意思。)
16Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
17耶稣说:“你不要拉住我,因为我还没有上去见父。你要到我的弟兄们那里去,告诉他们我要上去见我的父,也是你们的父;见我的 神,也是你们的 神。”
17Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
18抹大拉的马利亚就去,向门徒报信说:“我已经看见主了!”她又把主对她所说的话告诉他们。
18Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
19向门徒显现(太28:16-20;可16:14-18;路24:36-49)礼拜日黄昏的时候,门徒聚在一起,因为怕犹太人,就把门户都关上。耶稣来了,站在他们中间,说:“愿你们平安。”
19Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
20说了这话,就把手和肋旁给他们看。门徒看见主,就欢喜了。
20Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
21耶稣又对他们说:“愿你们平安。父怎样差遣了我,我也怎样差遣你们。”
21Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22说了这话,就向他们吹一口气,说:“你们领受圣灵吧!
22Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;
23你们赦免谁的罪,谁的罪就得赦免;你们不赦免谁的罪,谁的罪就不得赦免。”
23na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
24耶稣向疑惑的多马显现十二个门徒中,有一个称为“双生子”的多马。耶稣来的时候,他没有和门徒在一起。
24Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
25其他的门徒对他说:“我们已经见过主了。”多马对他们说:“除非我亲眼看见他手上的钉痕,用我的指头探入那钉痕,又用我的手探入他的肋旁,我决不相信。”
25Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
26过了八天,门徒又在屋子里,多马也和他们在一起。门户都关上了。耶稣来了,站在他们中间,说:“愿你们平安。”
26Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
27然后对多马说:“把你的指头放在这里,看看我的手吧!伸出你的手来,探探我的肋旁!不要疑惑,只要信!”
27Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.
28多马对他说:“我的主!我的 神!”
28Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
29耶稣说:“你因为看见我才信吗?那些没有看见就信的人,是有福的。”
29Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
30本书是要人信耶稣得生命耶稣在门徒面前还行了许多别的神迹,没有记在这书上。
30Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.
31但把这些事记下来,是要你们信耶稣是基督,是 神的儿子,并且使你们信了,可以因他的名得生命。
31fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.