1保罗带提摩太同行
1Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy - [ Gr. Grika]
2路司得和以哥念的弟兄们都称赞他。
2ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
3保罗有意要他一同出去,但为了那些地方的犹太人,就给他行了割礼,因为他们都知道他父亲是希腊人。
3Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy. [ Gr. Grika]
4他们经过各城,把耶路撒冷的使徒和长老所定的规条,交给门徒遵守。
4Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema. [Gr.presbytera]
5于是众教会信心越发坚固,人数天天增加。
5Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro.
6保罗见异象往马其顿去圣灵既然禁止他们在亚西亚传道,他们就走遍弗吕家、加拉太地区。
6[Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
7他们来到每西亚边境,想要去庇推尼,耶稣的灵也不许。
7ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy.
8他们经过每西亚,下到特罗亚。
8Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
9夜间有一个异象向保罗显现:有一个马其顿人站着求他说:“请你到马其顿来,帮助我们!”
9Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
10保罗见了这异象,我们就认定是 神呼召我们去传福音给他们,于是立刻设法前往马其顿。
10Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.
11吕底亚信主我们从特罗亚开船,直航撒摩特拉,第二天到达尼亚波利,
11Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
12从那里来到腓立比,就是马其顿地区的首要城市,是罗马的殖民地。我们在这城里住了几天。
12Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. [ Gr. kolonia]
13安息日我们出了城门,来到河边,以为那里是个祈祷的地方。我们坐下,对聚集的妇女讲论。
13Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.
14有一位敬畏 神的妇女,名叫吕底亚,是推雅推拉城卖紫色布的商人,她一直在听,主开启她的心,使她留心听保罗所讲的。
14Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.
15她和她一家受了洗以后,就请求说:“你们若认为我是对主忠实的,就请到我家来住。”于是她强留我们。
15Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
16在腓立比被囚有一次,我们到祈祷的地方去的时候,一个被巫鬼附着的婢女迎面而来;她行占卜使主人们发了大财。
16Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.
17她跟着保罗和我们,喊叫说:“这些人是至高 神的仆人,向你们传讲得救的道路。”
17Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
18她一连多日这样喊叫,保罗觉得厌烦,就转身对那鬼说:“我奉耶稣基督的名,命令你从她身上出来!”那鬼就立刻出来了。
18Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.
19她的主人们看见发财的希望完了,就揪住保罗和西拉,拉到市中心去见官长,
19Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe;
20又带到裁判官面前,说:“这些人是犹太人,扰乱我们的城市,
20ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
21传我们罗马人不准接受、不准实行的规例。”
21ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
22群众一齐起来攻击他们,裁判官就剥去他们的衣服,下令用棍子打他们。
22Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.
23打了很多棍,就把他们放在监牢里,吩咐狱吏严密看守。
23Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
24狱吏领了命令,就把他们押入内监,两脚拴了木狗。
24Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
25保罗领狱吏全家信主约在半夜,保罗和西拉祈祷歌颂 神,囚犯们都侧耳听着。
25Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
26忽然发生了大地震,以致监牢的地基都摇动起来,所有的监门立刻开了,囚犯的锁链都松了。
26Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.
27狱吏醒过来,看见监门全开,以为囚犯都已经逃脱了,就拔出刀来想要自刎。
27Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
28保罗大声呼叫说:“不要伤害自己,我们都在这里!”
28Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
29狱吏叫人拿了灯来,就冲进去,战战兢兢地俯伏在保罗和西拉面前,
29Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy.
30随后领他们出来,说:“先生,我应该作什么才可以得救?”
30Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
31他们说:“当信主耶稣,你和你一家人都必定得救。”
31Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
32他们就把主的道,讲给他和他全家的人听。
32Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony.
33就在当夜的那个时候,狱吏领他们去洗伤,狱吏和他家人都受了洗,
33Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra.
34就带他们到家里,摆上饭食,他和全家因信了 神就大大喜乐。
34Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
35到了天亮,裁判官派法警来,说:“放了这些人!”
35Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
36狱吏就把这话告诉保罗,说:“裁判官派人来释放你们,现在可以出来,平平安安地去吧!”
36Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
37保罗对他们说:“我们是罗马人,还没有定罪,他们就公开打我们,又放在监里;现在要私下赶我们出去吗?不行!他们应当亲自来,领我们出去!”
37Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
38法警把这番话回报裁判官,裁判官听说他们是罗马人,就害怕起来,
38Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
39于是来请求他们,领他们出监之后,就请他们离开那城。
39Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
40两人出了监,就到吕底亚的家里去,见了弟兄们,劝勉他们一番,就离开了。
40Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.