1帖撒罗尼迦的骚动
1[Ny nankanesan'i Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy Beria] Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao.
2保罗照他的习惯进去,一连三个安息日,根据圣经与他们辩论,
2Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao.
3讲解证明基督必须受害,从死人中复活,说:“我所传给你们的这位耶稣,就是基督。”
3Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
4他们中间有人给说服了,就附从了保罗和西拉;还有一大群虔诚的希腊人,和不少显要的妇女。
4Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja. [ Gr. Grika]
5但犹太人嫉妒起来,招聚了一些市井流氓,纠合成群,骚动全城,冲进了耶孙的家,搜索保罗和西拉,要把他们交给民众。
5Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin'ny olona.
6搜索不到他们,就把耶孙和几个弟兄,拉到地方长官那里,喊叫着说:“这些扰乱天下的人,也到这里来了,
6Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an'i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin'ny lehiben'ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
7耶孙却收留他们。这些人都违背凯撒的法令,说另外还有一个王耶稣。”
7ary efa nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin'i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
8群众和地方长官听见这话,就惊慌起来,
8Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha nahare izany.
9取得耶孙和其余的人签保后,才放了他们。
9Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
10来到比里亚弟兄们当夜立刻送保罗和西拉往比里亚去。二人到了,就进入犹太人的会堂。
10Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
11这里的人,比帖撒罗尼迦人开明,热切接受主的道,天天考查圣经,要知道所听的是否与圣经相符。
11Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia.
12结果他们中间有很多人信了,也有高贵的希腊妇女,男的也不少。
12Koa maro tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa nanan-kaja sy ny lehilahy. [Gr. Grika]
13但帖撒罗尼迦的犹太人,知道保罗又在比里亚宣讲 神的道,就到那里去,煽动挑拨群众。
13Fa raha ren'ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
14弟兄们立刻把保罗送到海边去;西拉和提摩太仍然留在比里亚。
14Ary niaraka tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
15护送保罗的人带他到了雅典;保罗吩咐他们叫西拉和提摩太赶快去见他,于是他们就回去了。
15Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.
16在雅典保罗在雅典等候他们的时候,看见满城都是偶像,心灵十分忿激。
16[Ny nataon'i Paoly tany Atena] Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
17于是在会堂里,同犹太人和虔诚的人辩论;并且天天在市中心和所遇见的人辩论。
17Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an-tsena isan'andro.
18还有伊壁鸠鲁派和斯多亚派的哲学家也同他争论,有的说:“这个拾人牙慧的人要说什么呢?”有的说:“他似乎是一个宣传外地鬼神的人。”这是因为保罗传扬耶稣和复活的道理。
18Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. [ Gr. mpitsindroka]
19他们拉着保罗,把他带到亚略.巴古那里,说:“你所讲的这个新道理,我们可以知道吗?
19Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?
20因为你把一切新奇的事,传到我们耳中,我们愿意知道这些事是什么意思。”
20Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany.
21原来所有雅典人和外侨,专好谈论和打听新奇的事,来打发时间。
21(Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
22保罗站在亚略.巴古当中,说:“各位雅典人,我看你们在各方面都非常敬畏鬼神。
22Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo.
23我走路的时候,仔细看你们所敬拜的,发现有一座坛,上面写着‘献给不认识的神’。我现在把你们不认识而敬拜的这位神,传给你们。
23Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
24创造宇宙和其中万有的 神,既然是天地的主,就不住在人手所造的殿宇,
24dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,
25也不受人手的服事,好像他缺少什么;他自己反而把生命、气息和一切,赐给万人。
25sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra;
26他从一个本源造出了万族来,使他们住在整个大地上,并且定了他们的期限和居住的疆界,
26ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany,
27要他们寻求 神,或者可以摸索而找到他。其实他离我们各人不远,
27mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
28因着他我们可以生存、活动、存在,就如你们有些诗人说:‘原来我们也是他的子孙。’
28fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
29我们既然是 神的子孙,就不应该以为他的神性是好像人用手艺、心思所雕刻的金银石头一样。
29Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona.
30过去那无知的时代, 神不加以追究;现在,他却吩咐各处的人都要悔改,
30Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,
31因为他已经定好了日子,要借着他所立的人,按公义审判天下,并且使他从死人中复活,给万人作一个可信的凭据。”
31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.
32众人一听到死人复活的事,就讥笑他,但有的说:“我们要再听听你讲这件事!”
32Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany.
33这样,保罗就离开他们。
33Ary Paoly dia niala teo aminy.Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
34但有几个人接近他,并且信了主,其中有亚略.巴古的议员丢尼修,一个名叫戴马里的女子,还有其他的人。
34Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.