1彼得医好瘸腿的人
1[Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona] Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
2有一个生来瘸腿的人被人抬来。他们天天把他放在那名叫美门的殿门口,让他好向进殿的人讨饭。
2Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
3他看见彼得和约翰将要进殿,就向他们讨饭。
3nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
4彼得和约翰定睛看着他,彼得说:“你看我们!”
4Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
5那人就留意看着他们,希望从他们得些什么。
5Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
6彼得却说:“金银我都没有,只把我有的给你:我奉拿撒勒人耶稣基督的名,吩咐你行走!”
6Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
7于是拉着他的右手,扶他起来;他的脚和踝骨立刻强壮有力,
7Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
8他一跳就站了起来,并且行走。他连走带跳,赞美 神,同他们进入殿中。
8Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
9群众看见他一边走一边赞美 神;
9Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
10他们一认出他就是那平时坐在圣殿美门口讨饭的,就因所经历的事,满心希奇,惊讶不已。
10Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
11彼得在所罗门廊下的讲道那人拉着彼得和约翰的时候,群众都很惊奇,跑到他们那里,就是所罗门廊的下面。
11Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.
12彼得看见了,就对群众说:“以色列人哪,为什么因这事希奇呢?为什么瞪着我们,好像我们是凭着自己的能力和虔诚,使这人行走呢?
12Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
13亚伯拉罕、以撒、雅各的 神,就是我们祖宗的 神,荣耀了他的仆人耶稣。这位耶稣,你们把他送交官府。彼拉多本来定意要放他,你们却当着彼拉多的面拒绝他。
13Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [ Na: Zanany]
14你们把那圣者义者拒绝了,反而要求给你们释放一个杀人犯。
14Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15你们杀了那‘生命的源头’, 神却使他从死人中复活。我们就是这件事的见证人。
15fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay.
16是他的名(因信他的名)使你们所看见所认识的这个人强壮了。这从耶稣而来的信心,当着你们众人面前,把他完全医好了。
16Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
17弟兄们,我知道你们所作的,是出于无知,你们的官长也是这样。
17Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
18但 神曾经借着众先知的口,预先宣告他所立的基督将要受害的事,就这样应验了。
18Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.
19所以你们应当悔改归正,使你们的罪得着涂抹。
19Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,
20这样,那安乐的日子,必从主面前来到,并且他必把为你们预先选定的基督(耶稣)差来。
20ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
21他必留在天上,直到万物复兴的时候,就是 神自古借着圣先知的口所说的。
21Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.
22摩西曾说:‘你们的主 神要从你们弟兄中间,给你们兴起一位先知像我;无论他对你们说什么,你们都应当听从。
22Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo.
23无论谁不听从那位先知,必定从民中灭绝。’
23Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19).
24所有从撒母耳起,以及相继兴起来讲话的先知,都曾经宣告这些日子。
24Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
25你们是先知的子孙,也是承受 神向你们祖先所立之约的人。 神曾经对亚伯拉罕说:‘地上万族,都要因你的后裔得福。’
25Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [Na: ny Zanany]
26 神先给你们兴起他的仆人,差他来祝福你们,使你们各人回转,离开邪恶。”
26Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [Na: ny Zanany]