聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Acts

4

1彼得约翰在公议会受审
1[Ny namatorana an'i Petera sy Jaona, sy ny nataon'ny Synedriona taminy] Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;
2因为使徒教训群众,并且传扬耶稣复活,证明有死人复活这件事,他们就非常恼怒,
2fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty.
3于是下手拿住使徒。那时天已经晚了,就把他们拘留到第二天。
3Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay.
4然而有许多听道的人信了,男人的数目,约有五千。
4Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.
5第二天,犹太人的官长、长老、经学家,都聚集在耶路撒冷,
5Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna
6还有大祭司亚那和该亚法、约翰、亚历山大,以及大祭司的家人,所有的人都在那里。
6sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe.
7他们叫使徒都站在当中,查问说:“你们凭什么能力,奉谁的名作这事?”
7Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
8当时彼得被圣灵充满,对他们说:“民众的领袖和长老啊!
8Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
9我们今天受审,如果是为了在那残疾人身上所行的善事,就是这个人怎么会好的,
9raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
10那么,你们各位和以色列全民都应当知道,站在你们面前这人好了,是因拿撒勒人耶稣基督的名。这位耶稣基督,你们把他钉死在十字架上, 神却使他从死人中复活。
10dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
11他是你们‘建筑工人所弃的石头,成了房角的主要石头。’
11Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
12除了他以外,别无拯救,因为在天下人间,没有赐下别的名,我们可以靠着得救。”
12Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
13他们看见彼得和约翰的胆量,也知道这两个人是没有学问的平民,就很惊奇;同时认出他们是跟耶稣一伙的,
13Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.
14又看见那医好了的人,和他们一同站着,就没有话可辩驳。
14Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.
15于是吩咐他们到公议会外面去,彼此商议说:
15Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
16“对这些人我们应该怎么办呢?因为有一件人所共知的神迹,借着他们行了出来,所有住在耶路撒冷的人都知道,我们也无法否认。
16ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
17为了避免这件事在民间越传越广,我们应该警告他们,不许再奉这名向任何人谈道。”
17Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.
18于是叫了他们来,严禁他们再奉耶稣的名讲论施教。
18Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.
19彼得和约翰回答:“听从你们过于听从 神,在 神面前对不对,你们自己说吧!
19Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
20我们看见的听见的,不能不说!”
20Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
21众人因着所发生的事,都颂赞 神,于是公议会为了群众的缘故,也因为找不到借口惩罚他们,就恐吓一番,把他们放了。
21Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao.
22原来借着神迹医好的那人,有四十多岁了。
22Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.
23信徒同心祈祷彼得和约翰被释放了之后,回到自己的人那里去,把祭司长和长老说的一切,都告诉他们。
23Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy.
24他们听了,就同心向 神高声说:“主啊,你是那创造天地、海洋和其中万物的主宰。
24Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
25你曾以圣灵借着你仆人我们祖先大卫的口说:‘列国为什么骚动?万民为什么空谋妄想?
25ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?
26地上的君王都起来,首领聚在一起,敌对主和他的受膏者。’
26Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2).
27希律和本丢.彼拉多,外族人和以色列民,真的在这城里聚集,反对你所膏立的圣仆耶稣,
27Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [Na: ny Zanakao]
28行了你手和你旨意所预定要成就的一切。
28mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.
29主啊,他们恐吓我们,现在求你鉴察,也赐你仆人们大有胆量,传讲你的道。
29Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,
30求你伸手医治,借着你圣仆耶稣的名,大行神迹奇事。”
30omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao Masina. [: Na: Zanakao]
31他们祷告完了,聚会的地方震动起来,他们都被圣灵充满,放胆传讲 神的道。
31Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
32信徒凡物公用全体信徒一心一意,没有一个人说自己的财物是自己的,他们凡物公用。
32[Ny nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
33使徒大有能力,为主耶稣的复活作见证,众人都蒙了大恩。
33Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.
34他们中间没有一个有缺乏的,因为凡有田产房屋的都卖了,把得到的钱拿来,
34Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo,
35放在使徒脚前,照着各人的需要来分配。
35ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy
36有一个人名叫约瑟,使徒称他为巴拿巴,就是“安慰者”的意思,他是个利未人,生在塞浦路斯。
36Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
37他卖掉了自己的田地,把钱拿来,放在使徒的脚前。
37dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.