1亚拿尼亚和撒非拉的鉴戒
1[Ny amin'i Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
2他私底下把钱留了一部分,妻子也知道这件事。他把其余的一部分带来,放在使徒的脚前。
2ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
3彼得说:“亚拿尼亚,为什么撒但充满了你的心,使你欺骗圣灵,私底下把卖地的钱留了一部分呢?
3Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany?
4田地还没有卖,不是你自己的吗?既然卖了,所得的钱不是由你作主吗?你为什么存心这样作呢?你这不是欺骗人,而是欺骗 神。”
4Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
5亚拿尼亚一听见这话,就仆倒断了气。所有听见的人都十分害怕。
5Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
6有几个青年人来把他包好,抬出去埋了。
6Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
7大约三小时之后,亚拿尼亚的妻子进来,还不知道发生了什么事。
7Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
8彼得问她:“你告诉我,你们卖田地的钱,就是这么多吗?”她说:“是的,就是这么多。”
8Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
9彼得说:“你们为什么串同试探主的灵呢?你看,埋你丈夫的人的脚,已经到了门口,他们也要把你抬出去。”
9Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
10她立刻就仆倒在彼得脚前,断了气。那些青年人进来,发现她死了,把她也抬出去,埋在她丈夫旁边。
10Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy.
11全体会众和所有听见这事的人,都很害怕。
11Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
12使徒行神迹奇事主借着使徒的手,在民间行了许多神迹奇事。他们都同心聚集在所罗门廊下,
12[Ny fahagagana nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona;
13其余的人,没有一个敢接近他们,可是民众都很敬重他们。
13ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
14信主的男男女女越来越多,
14Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
15甚至有人把病人抬到街上,放在小床和褥子上,好让彼得经过时,他的身影可以落在一些人身上。
15ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy.
16耶路撒冷周围城市的人,也带着病人和受污灵缠扰的,蜂拥而来,结果病人全都医好了。
16Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
17使徒受迫害大祭司和他的同党撒都该人,满心忌恨,
17[Ny namatorana ny Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
18于是下手拿住使徒,把他们押在公共拘留所里。
18dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
19夜间有一位天使,打开监门,把他们领出来,说:
19Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
20“你们去,站在殿里,把一切有关这生命的话,都讲给众民听。”
20Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
21使徒听完了,就在黎明的时候,进到殿里去施教。大祭司和他的同党来到了,就召齐了公议会,就是以色列人的众长老,派人到监牢去带使徒出来。
21Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly.
22差役到了监里,找不到他们,回来报告说:
22Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
23“我们发现监门紧闭,狱卒也守在门外;等到开了门,里面连一个人也找不到。”
23Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
24圣殿的守卫和祭司长听了这些话,觉得很困惑,不知道这件事将来会怎样。
24Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.
25忽然有人来报告说:“你们押在监里的那些人,正站在殿里教导众民呢!”
25Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.
26于是守卫和差役去带使徒来,不过没有用暴力,因为怕众民用石头打他们。
26Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
27既然带来了,就叫他们站在公议会前。大祭司问他们:
27Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
28“我们严厉地吩咐过你们,不准再奉这名施教。看,你们却把你们的道理传遍了耶路撒冷,想要把流这人的血的责任推到我们身上。”
28ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
29彼得和众使徒回答:“服从 神过于服从人,是应当的。
29Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
30你们挂在木头上亲手杀害的耶稣,我们祖先的 神已经使他复活了。
30Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo.
31 神把他高举在自己的右边,作元首作救主,把悔改的心赐给了以色列人,使他们罪得赦免。
31Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [ Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
32我们为这些事作证, 神赐给顺从的人的圣灵也为这些事作证。”
32Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.
33公议会的人听了,非常恼怒,就想要杀他们。
33Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
34但有一个法利赛人,名叫迦玛列,是民众所尊敬的律法教师。他在公议会中站起来,吩咐人把使徒暂时带出去,
34Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
35然后对大家说:“以色列人哪,你们应当小心处理这些人!
35Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo.
36从前有个丢大,自命不凡,附从他的人约有四百。他一被杀,跟从他的人尽都星散,一败涂地。
36Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
37这人之后,在户口登记的时候,又有一个加利利人犹大,拉拢人们来跟从他。后来他也丧命,跟从他的人也就烟消云散了。
37Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38至于目前的事,我劝你们不要管这些人,由他们吧!因为这计划或这行动,如果是出于人意,终必失败;
38Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
39如果是出于 神,你们就不能破坏他们,恐怕你们是与 神作对了。”他们接受了他的劝告,
39fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo.
40就传使徒进来,鞭打一顿,禁止他们奉耶稣的名传讲,就把他们释放了。
40Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
41使徒欢欢喜喜从公议会里出来,因为他们算是配得为主的名受辱。
41Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany.Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
42他们天天在殿里并在各人的家中,不断地施教,传讲耶稣是基督。
42Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.