1司提反的申辩
1Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
2司提反说:“各位父老兄弟请听!我们的祖宗亚伯拉罕,在美索不达米亚,还没有住在哈兰的时候,荣耀的 神向他显现,
2fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
3对他说:‘你要离开本地本族,到我指示你的地方去。’
3ka nanao taminy hoe: Mialà amin'ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).
4他就离开迦勒底人的地方,住在哈兰。他父亲死后, 神又叫他从那里迁到你们现在所住的地方。
4Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo ankehitriny.
5在这里 神并没有赐他产业,连立足之地也没有。但 神应许把这地赐给他和他的后裔为业,虽然那时他还没有儿子。
5Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
6 神就这样说:‘你的后裔必在外地寄居,人要奴役、虐待他们四百年。’
6Ary nolazain'Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
7 神又说:‘奴役他们的那个国家,我要亲自惩罚。以后,他们要出来,在这地方事奉我。’
7Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen. 15. 13, 14).
8 神也赐他割礼为约。这样,亚伯拉罕生了以撒,第八天就给他行了割礼。后来,以撒生雅各,雅各生了十二位祖先。
8Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy.
9“祖先妒忌约瑟,把他卖到埃及去,然而 神与他同在,
9Ary nialona an'i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
10救他脱离一切苦难,使他在埃及王法老面前,有智慧、得恩宠。法老立他为首相,管理埃及和法老的全家。
10ka nahafaka azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.
11后来埃及和迦南全地遭遇饥荒、大灾难,我们的祖先找不到粮食。
11Ary nisy mosary eran'i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
12雅各听见埃及有谷粮,就派我们的祖先去,这是第一次。
12Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny voalohany.
13第二次的时候,约瑟就向哥哥们表露自己的身世,法老才知道约瑟的家世。
13Ary tamin'ny fanindroany dia fantatr'izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa ny havan'i Josefa.
14约瑟就派人去把他父亲雅各和全家七十五人都接来。
14Ary Josefa naniraka ka nampaka an'i Jakoba rainy mbamin'ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.
15于是雅各下了埃及。后来他和我们祖先都死了,
15Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
16运到示剑,埋葬在亚伯拉罕用银子向哈抹子孙买来的坟地里。
16ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hamora tany Sekema.
17“ 神给亚伯拉罕的应许快要实现的时候,以色列人在埃及人口繁盛增多;
17Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
18但是,到了另一位不认识约瑟的君王兴起统治埃及的时候,
18mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
19他就谋害我们的同胞,虐待我们的祖先,逼他们拋弃自己的婴孩,不容婴孩存活。
19Ary izy nanao hafetsena tamin'ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
20就在那时候,摩西出生了,他非常俊美,在父亲的家中抚养了三个月。
20Tamin'izany andro izany no nahaterahan'i Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon'ny rainy.
21他被拋弃的时候,法老的女儿把他拾起来,当作儿子抚养。
21Fa rehefa nariana izy, dia nalain'ny zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.
22摩西学尽了埃及人的一切学问,说话行事都有能力。
22Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy.
23“到了四十岁,他心中起了一个念头,要去看望自己的同胞以色列人。
23Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak'isiraely, rahalahiny
24当他看见有一个人受欺负,就去护卫,为那受屈的抱不平,打死了那个埃及人。
24Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
25他以为同胞们都必知道 神要借着他的手拯救他们,事实上他们却不知道。
25Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
26第二天,有人在打架,摩西就出面调解,说:‘你们是弟兄,为什么彼此欺负呢?’
26Ary nony ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
27那欺负人的把他推开,说:‘谁立了你作我们的领袖和审判官呢?
27Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
28难道你想杀我,像昨天杀那个埃及人一样吗?’
28Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly? (Eks. 2. 13, 14.)
29摩西因为这句话,就逃到米甸地寄居,在那里生了两个儿子。
29Ary tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
30“过了四十年,在西奈山的旷野,有一位使者,在荆棘中的火焰里,向摩西显现。
30Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
31他见了这个异象,十分惊奇;他正上前察看的时候,就有主的声音说:
31Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe:
32‘我是你祖宗的 神,就是亚伯拉罕、以撒、雅各的 神。’摩西战战兢兢,不敢观看。
32Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33主对他说:‘把你脚上的鞋脱掉,因为你所站的地方是圣地。
33Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io.
34我的子民在埃及所受的痛苦,我实在看见了;他们的叹息我也听见了,我下来是要救他们。你来,我要派你到埃及去。’
34Hitako tokoa ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
35他们拒绝了这位摩西,说:‘谁立了你作领袖和审判官呢?’但 神借着在荆棘中向他显现的使者的手,派他作领袖和救赎者。
35Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban'ny tanan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
36这人领他们出来,并且在埃及地、红海和旷野,行奇事神迹四十年。
36Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
37以前那位对以色列人说‘ 神要从你们弟兄中间,给你们兴起一位先知像我’的,就是这摩西。
37Izany no Mosesy izay nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo. 18. 15).
38那曾经在旷野的大会中,和那在西奈山上对他说话的使者同在,也与我们的祖先同在的,就是他。他领受了活的圣言,传给我们。
38Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
39我们的祖先不肯听从他,反而把他推开,他们的心已经转向了埃及,
39Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an'i Egypta ny fony,
40就对亚伦说:‘给我们做一些神像,可以走在我们前头。因为把我们从埃及地领出来的那个摩西,我们不知道他遭遇了什么事。’
40ka hoy izy tamin'i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1).
41在那些日子里,他们做了一个牛犊,把祭物献给那偶像,并且因自己手所做的而欢乐。
41Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin'izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny asan'ny tànany.
42于是 神转身离开,任凭他们事奉天象,正如先知书所说:‘以色列家啊,你们在旷野四十年,岂是将祭牲和祭物献给我呢?
42Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin'ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry taranak'isiraely?
43你们抬着摩洛的帐幕,和理番神的星,就是你们做来敬拜的像。所以我要把你们放逐到巴比伦那一边去。’
43Tsia, fa nobetainareo ny tranolain'i Moloka sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr'i Babylona Aho (Amo. 5. 25-27).
44“我们的祖先在旷野有作证的帐幕,就是跟摩西谈话的那位指示他,依照他看见的样式做的。
44Ny trano-lain'ny Vavolombelona dia teo amin'ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin'izay niteny tamin'i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
45我们的祖先相继承受了这帐幕, 神把外族人从他们面前赶走以后,他们就同约书亚把帐幕带进所得为业的地方,直到大卫的日子。
45Izany koa dia noraisin'ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny tanin'ny firenena izay noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika hatramin'ny andron'i Davida;
46大卫在 神面前蒙了恩,就求为雅各的 神找个居所,
46izy nahita fitia anatrehan'Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
47而由所罗门为他建造殿宇。
47Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
48其实至高者并不住人手所造的,正如先知说:
48Kanefa ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin'izay nataon-tànan'olona; araka ny nolazain'ny mpaminany hoe:
49‘主说:天是我的宝座,地是我的脚凳,你们要为我建造怎样的殿呢?哪里是我安息的地方呢?
49Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
50这一切不都是我手所造的吗?’
50Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao? (Isa. 66. 1, 2.)
51“你们颈项刚硬、心和耳都未受割礼的人哪!你们时常抗拒圣灵,你们的祖先怎样,你们也怎样。
51Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa.
52有哪一个先知,你们的祖先不迫害呢?你们杀了那些预先宣告那义者要来的人,现在又把那义者出卖了,杀害了。
52Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo,
53你们领受了由天使传达的律法,却不遵守。”
53dia olona izay nahazo ny lalàna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany.
54司提反被石头打死众人听了这些话,心中非常恼怒,就向着司提反咬牙切齿。
54Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
55但司提反被圣灵充满,定睛望着天,看见 神的荣耀,并且看见耶稣站在 神的右边,
55Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra,
56就说:“看哪!我看见天开了,人子站在 神的右边。”
56dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra.
57众人大声喊叫,掩着耳朵,一齐向他冲过去,
57Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
58把他推出城外,用石头打他。那些证人把自己的衣服,放在一个名叫扫罗的青年人脚前。
58dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
59他们用石头打司提反的时候,他呼求说:“主耶稣啊,求你接收我的灵魂!”
59Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
60然后跪下来大声喊着说:“主啊,不要把这罪归给他们!”说了这话,就睡了。
60Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.