聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Acts

8

1扫罗迫害教会
1Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
2有些虔诚的人安葬了司提反,为他大大悲痛一番。
2Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.
3扫罗却残害教会,逐家进去,连男带女拉去坐监。
3Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
4福音传到撒玛利亚那些分散的人,经过各地,传扬福音真道。
4Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
5腓利下到撒玛利亚城,宣讲基督。
5Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.
6群众听了腓利所讲的,看见他所行的神迹,就同心听从了他的话。
6Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.
7许多人有污灵附在他们身上,污灵大声喊叫了之后,就出来了;还有许多瘫子瘸子都医好了。
7Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
8在那城里,就大有欢乐。
8Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.
9有一个人名叫西门,从前在城里行过邪术,使撒玛利亚的居民惊奇,他又自命不凡,
9Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
10城里大大小小都听从他,说:“这就是那称为‘ 神的大能’的人。”
10ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
11他们听从他,因为他长久用邪术,使他们惊奇。
11Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny.
12等到腓利向他们传了 神的国的福音,和耶稣基督的名,他们就信了腓利,连男带女都受了洗。
12Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13连西门自己也信了,他受洗之后,常和腓利在一起,看见所发生的神迹和大能的事,就觉得很惊奇。
13Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
14在耶路撒冷的使徒,听见撒玛利亚居民领受了 神的道,就差派彼得和约翰到他们那里去。
14Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
15二人到了,就为大家祷告,要让他们接受圣灵。
15Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
16因为圣灵还没有降在他们任何一个身上,他们只是受了洗归入主耶稣的名下。
16Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy.
17于是使徒为他们按手,他们就受了圣灵。
17Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.
18西门看见使徒一按手,就有圣灵赐下来,就拿钱给他们,
18Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy
19说:“请把这权柄也给我,叫我为谁按手,谁就可以受圣灵。”
19ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.
20彼得对他说:“你的银子跟你一同灭亡吧!因为你以为 神的恩赐,是可以用钱买的。
20Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.
21你和这件事是毫无关系的,因为你在 神面前存心不正。
21Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra.
22所以,你要悔改离弃这罪恶,要祈求主,也许你心中的意念可以得到赦免。
22Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.
23我看出你正在苦胆之中,邪恶捆绑着你。”
23Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
24西门回答:“请你们为我求主,好让你们所说的,没有一样临到我身上。”
24Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
25使徒作了见证,讲了主的道,就回耶路撒冷去,一路上在撒玛利亚人的许多村庄里传扬福音。
25Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana.
26腓利对太监传讲耶稣有主的一位使者对腓利说:“起来,向南走,往那从耶路撒冷下迦萨的路上去。”那条路在旷野里。
26Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
27他就动身去了。有一个衣索匹亚人,是衣索匹亚女王干大基有权力的太监,掌管女王全部国库。他上耶路撒冷去礼拜。
27Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
28他回去的时候,坐在车上读以赛亚先知的书。
28dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany
29圣灵对腓利说:“你往前去,靠近那车子!”
29Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.
30腓利就跑过去,听见他读以赛亚先知的书,就问他:“你所读的,你明白吗?”
30Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
31他说:“没有人指导我,怎能明白呢?”于是请腓利上车,同他坐在一起。
31Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [ Gr. mitari-dalana]
32他所读的那段经文,就是:“他像羊被牵去宰杀,又像羊羔在剪毛的人面前无声,他总是这样不开口。
32Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;
33他受屈辱的时候,得不到公平的审判,谁能说出他的身世呢?因为他的生命从地上被夺去。”
33Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [ Na: ny fianakaviany]
34太监对腓利说:“请问先知这话是指谁说的?指他自己呢?还是指别人?”
34Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
35腓利就开口,从这段经文开始,向他传讲耶稣。
35Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy.
36他们一路走,到了有水的地方,太监说:“你看,这里有水,有什么可以阻止我受洗呢?”
36Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
37(有些抄本在此有第37节:“腓利说:‘你若全心相信,就可以受洗。’他回答说:‘我信耶稣基督是 神的儿子。’”)
37[ Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra]
38于是太监吩咐停车,腓利和他两人下到水中,腓利就给他施洗。
38Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
39他们从水里上来的时候,主的灵就把腓利提去了,太监再也看不见他,就欢欢喜喜地上路。
39Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
40后来有人在亚锁都遇见腓利。他走遍各城,传讲福音,直到该撒利亚。
40Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.