1扫罗悔改归主(徒22:3-16,26:9-18)
1[Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
2要求他发公函给大马士革各会堂,如果发现奉行这道的人,准他连男带女缉拿到耶路撒冷。
2ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy. [Gr: lalana]
3他快到大马士革的时候,忽然有光从天上向他四面照射。
3Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;
4他仆倒在地,听见有声音对他说:“扫罗,扫罗!你为什么迫害我?”
4dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
5他说:“主啊,你是谁?”主说:“我就是你所迫害的耶稣。
5Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
6起来,进城去!你应当作的事,一定有人告诉你。”
6fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
7同行的人,听见声音,却看不见人,只是目瞪口呆地站在那里。
7Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
8扫罗从地上爬起来,睁开眼睛,却什么也看不见。他们牵着他的手,领他进大马士革。
8Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9他三天都不能看见什么,不吃也不喝。
9Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
10在大马士革,有一个门徒名叫亚拿尼亚,主在异象中对他说:“亚拿尼亚!”他说:“主啊,我在这里。”
10Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
11主说:“起来,到那叫直街的路上去,要在犹大家里找一个大数人,名叫扫罗。你看,他正在祷告,
11Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
12在异象中他看见一个人,名叫亚拿尼亚,进来为他按手,使他可以再看得见。”
12ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
13但亚拿尼亚回答:“主啊,我听见许多人说起这个人,他在耶路撒冷作了许多苦害你圣徒的事;
13Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
14并且他在这里得到祭司长的授权,要捆绑所有求告你名的人。”
14Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
15主对他说:“你去吧!这人是我拣选的器皿,为要把我的名传给外族人、君王和以色列人。
15Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely;
16我要指示他,为了我的名他必须受许多的苦。”
16fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
17扫罗在大马士革传道亚拿尼亚就去了,进了那家,为扫罗按手,说:“扫罗弟兄,在你来的路上向你显现的耶稣,就是主,差我来使你可以看见,又被圣灵充满。”
17Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
18立刻有鳞状的东西,从扫罗的眼里掉下来,他就能看见了。于是起来,受了洗,
18Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
19吃过了饭,就有气力了。他和大马士革的门徒一同住了几天,
19ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.
20随即在各会堂传讲耶稣,说他是 神的儿子。
20Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.
21听见的人都很惊奇,说:“在耶路撒冷残害求告这名的,不是这个人吗?他来这里不是要缉拿他们交给祭司长吗?”
21Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
22然而扫罗更加有能力,驳倒住在大马士革的犹太人,证明耶稣是基督。
22Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy. [ Gr. Ity]
23扫罗逃脱犹太人的谋害过了许多日子,犹太人商议要杀掉扫罗;
23Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
24但他们的计谋给扫罗知道了。他们就在各城门日夜把守,要杀掉他。
24nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy.
25于是他的门徒就漏夜用大篮子把他从城墙上缒下去。
25Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
26扫罗到了耶路撒冷,想要接近门徒,但大家都怕他,不信他是个门徒。
26Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
27只有巴拿巴接待他,带他去见使徒,把他怎样在路上看见主,主向他说话,和他怎样在大马士革奉耶稣的名放胆讲道,都讲了出来。
27Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
28于是扫罗在耶路撒冷和门徒一同出入,奉主的名放胆讲道,
28Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
29并且与讲希腊话的犹太人谈论辩驳,那些人却想下手杀他。
29sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
30弟兄们知道了,就送他到该撒利亚,差他往大数去。
30Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
31那时犹太、加利利、撒玛利亚各处的教会,都得到平安,被建立起来,存着敬畏主的心过生活,并且因着圣灵的激励,人数增多起来。
31Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
32彼得医好以尼雅彼得周游各地的时候,也到了住在吕大的圣徒那里。
32[Ny nandehanan'i Petera nitety tany, sy ny nananganany an'i Dorkasy tamin'ny maty] Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa.
33他遇见一个人,名叫以尼雅,害了瘫痪病,在床上躺卧了八年。
33Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
34彼得对他说:“以尼雅,耶稣基督医好你了!起来,收好你的褥子!”他就立刻起来。
34Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
35所有住在吕大和沙仑的人,看见了他就归向主。
35Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
36彼得使多加复活在约帕有一个女门徒,名叫戴比莎,希腊话叫多加;她为人乐善好施。
36Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. [ Dorkasy = Gazela; izahao 2 Sam. 2,18]
37那时,她因病死了;有人把她洗净了,停放在楼上。
37Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
38吕大靠近约帕,门徒听说彼得在那边,就派两个人去求他,说:“请到我们那边去,不要耽延!”
38Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
39彼得就动身,跟他们一同去。到了之后,他们领他上楼。所有寡妇站在彼得旁边哭,把多加和她们在一起的时候所做的内衣外衣拿给他看。
39Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
40彼得叫大家出去之后,就跪下来祷告,然后转过身来对着尸体说:“戴比莎,起来!”她就睁开眼睛,一看见彼得,就坐了起来。
40Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
41彼得伸手扶她起来,叫圣徒们和寡妇都进来,把多加活活地交给他们。
41Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
42这事传遍了约帕,就有很多人信了主。
42Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
43此后,彼得在约帕一个制皮工人西门的家里住了许多日子。
43Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.