1毁坏圣所的异象
1[Ny fahitana ny amin'ny handravana ny fanjakana be ota, sy ny hananganana indray ny tabernakelin'i Davida] Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory. [Na: ambonin']
2如果他们下到阴间,就是在那里,我的手必把他们揪上来;如果他们升到天上,就是在那里,我必把他们拉下来;
2Na dia mibosesika ho any amin'ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy. [Heb. Sheola]
3如果他们躲在迦密山顶,就是在那里,我必搜寻他们,抓他们出来;如果他们要躲避我,藏在海底,就是在那里,我必命令蛇去咬他们;
3Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
4如果他们被仇敌掳去,就是在那里,我必命令刀剑杀死他们;我必定睛在他们身上,降祸不降福。”
4Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
5万军之主耶和华摸地,地就融化,住在地上的都要悲哀。这地必像尼罗河高涨,像埃及的大河退落。
5Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta,
6他在天上建立楼阁,在大地之上奠立穹苍;他召唤海水,把海水浇在地上;耶和华是他的名。
6Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.
7“以色列人哪!在我看来,你们不是与古实人一样吗?我带领以色列人出埃及地,不是也领非利士人出迦斐托,领亚兰人出吉珥吗?”这是耶和华的宣告。
7Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
8“看哪!耶和华的眼目察看这有罪的国,我要把它从地上除灭;却必不把雅各家完全除灭。”这是耶和华的宣告。
8Indro, ny mason'i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin'ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak'i Jakoba, hoy Jehovah.
9耶和华说:“看哪!我必下令,我必在列国中筛以色列家,好像人用筛子筛谷,但谷粒不会落在地上。
9Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra ny taranak'Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin'ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin'ny tany na dia iray akory aza.
10我民中所有犯罪的人,就是那些说:‘灾祸必不临近、追上我们’的人,他们必死在刀下。
10Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
11以色列将来的复兴“到那日,我必竖立大卫倒塌的帐幕,修补它们的破口;我必重建它的废墟,使它像往日一样建立起来。
11Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
12好使他们获得以东所余剩的,以及所有称为我名下的国。”这是行这些事的耶和华的宣告。
12Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
13“日子快到,这是耶和华的宣告。耕地的必紧接着收割的,踹葡萄的必紧接着撒种的;大山必滴下新酒,小山必融化。
13Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
14我必使我的子民以色列被掳的人回归,他们必重建荒废的城,住在其中;他们必栽种葡萄园,喝园中的酒;建造果园,吃园中的果子。
14Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.
15我必把他们栽于他们自己的土地,他们再不会从我赐给他们的土地上被拔除。”这是耶和华你的 神说的。
15Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.