1有关以东的预言俄巴底亚所见的异象。主耶和华指着以东这样说:我们从耶和华那里听见了一个信息,有一位使者被派往列国去,说:“起来吧!我们起来与以东争战。”
1[Ny fahitan'i Obadia ny amin'ny handravana an'i Edoma mbamin'ny jentilisa sasany noho ny ratsy nataony tamin'ny Isiraely, ary ny hampiorenana ny fanjakan'i Jehovah any Ziona] Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'i Edoma: Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
2以东的刑罚看哪!我必使你在列国中成为弱小的,你必大受藐视。
2Indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
3你心中的傲气欺骗了你;你这住在岩石的隐密处,居所在高处的啊!你心里说:“谁能把我拉下地呢?”
3Ny avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
4你虽如鹰高飞,在星宿之间搭窝,我也必从那里把你拉下来。这是耶和华的宣告。
4Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
5窃贼若来到你那里,强盗若夜间来到,岂不会偷窃直到够了呢?你将会怎样被灭绝!摘葡萄的若来到你那里,岂不只剩下几粒葡萄吗?
5Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny ? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
6以扫要怎样被搜索,他收藏的宝物被搜查出来。
6Endrey ny fitady ny an'i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
7曾与你结盟的,都把你送到边界;本来与你友好的,却欺骗你,胜过你;与你同席的,在你脚下暗设网罗,你却毫不晓得。
7Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin'ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
8耶和华宣告说:到那日,我岂不从以东灭绝智慧人吗?岂不从以扫山除掉聪明人吗?
8Moa tsy amin'izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao?
9提幔哪!你的勇士要惊惶,因此在以扫山上人人被杀戮剪除。
9Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin'ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr'i Esao.
10惩罚以东的原因因你对兄弟雅各行强暴,你必受羞辱,永被剪除。
10Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
11外地人劫掠雅各财物的日子,外族人进入他的城门,为耶路撒冷抽签;那时你竟袖手旁观,甚至好像他们中间的一分子!
11Tamin'ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin'ny andro namaboan'ny vahiny ny fananany, Sy nidiran'ny hafa firenena teo amin'ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an'i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin'ireny koa ianao.[Heb. nijanonanao]
12你兄弟遭遇祸患的日子,你不该看着不理;犹大人被灭的日子,你不该幸灾乐祸;他们遭难的日子,你不该张口狂傲;
12Aza finaritra mijery ny andron'ny rahalahinao amin'ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin'ny taranak'i Joda amin'ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin'ny andro fahoriana
13我子民遭灾的日子,你不该进入他们的城门;他们遭灾的日子,你不该看着他们受苦;他们遭灾的日子,你不该抢夺他们的财物。
13Aza miditra amin'ny vavahadin'ny oloko amin'ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin'ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin'ny andro ahitany loza
14你不该站在岔路口,剪除他们中间逃脱的人;他们遭难的日子,你不该把他们生还的人交出来。
14Aza mamitsaka eo amin'ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin'ny andro fahoriana.[Heb. mijanona]
15耶和华的日子临近万国了,人必照你所行的向你施行,你的报应必归到你的头上。
15Fa efa antomotra amin'ny jentilisa rehetra ny andron'i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
16你们怎样在我的圣山上喝过苦杯,万国也必照样不住地喝,他们要喝,并且要吞下去,他们就不再存在了。
16Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
17雅各家将来的复兴但在锡安山上必有逃脱的人,那山必成为圣;雅各家必得回他们原有的产业。
17Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany.
18雅各家必成为火,约瑟家必成为火焰;以扫家却像碎秸,被它们焚烧吞灭,以扫家再没有生还的人了。因为耶和华已经说了。
18Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
19南地的人必占有以扫山,低地的人必占有非利士人之地;他们必占有以法莲的田野和撒玛利亚的田野;便雅悯人必占有基列。
19Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada. [Heb. sefela]
20被掳到哈腊的以色列人,必占有迦南人的地,直到撒勒法;被掳到西法拉的耶路撒冷的人,要占有南地众城。
20Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin'ny tany atsimo. [Na: marobe izao, izay any amin'ny Kananita hatrany Zerefata, sy ny babo, etc..]Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1
21必有拯救者登锡安山,审判以扫山,国权就属于耶和华了。
21Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1