聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

John

1

1道成肉身
1Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
2这道太初与 神同在。
2Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
3万有是借着他造的;凡被造的,没有一样不是借着他造的。
3Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
4在他里面有生命,(有些抄本第3、4节或译:“万有是借着他造的,没有一样不是借着他造的;凡被造的,都在他里面有生命......”)这生命就是人的光。
4Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
5光照在黑暗中,黑暗不能胜过光。
5Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. [Na: Tsy mahasakana azy]
6有一个人,名叫约翰,是 神所差来的。
6Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.
7他来是要作见证,就是为光作见证,使众人借着他可以相信。
7Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.
8他不是那光,而是要为那光作见证。
8Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
9那光来到世界,是普照世人的真光。
9Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. [Na: Izy no tena Mazava] [Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin'izao tontolo izao]
10他在世界,世界也是借着他造的,世界却不认识他。
10Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
11他到自己的地方来,自己的人却不接受他。
11Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
12凡接受他的,就是信他名的人,他就赐给他们权利,成为 神的儿女。
12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [Na: anarana, na fahefana]
13他们不是从血统生的,不是从肉身的意思生的,也不是从人意生的,而是从 神生的。
13dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.
14道成了肉身,住在我们中间,满有恩典和真理。我们见过他的荣光,正是从父而来的独生子的荣光。
14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [Gr. nitoetra an-day]
15约翰为他作见证,大声说:“这一位就是我所说的:‘那在我以后来的,位分比我高,因为他本来是在我以前的。’”
15Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
16从他的丰盛里我们都领受了,而且恩上加恩。
16Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
17律法是借着摩西颁布的,恩典和真理却是借着耶稣基督而来的。
17Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
18从来没有人见过 神,只有在父怀里的独生子把他彰显出来。
18Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].
19施洗约翰的见证(太3:1-12;可1:1-8;路3:1-18)以下是约翰的见证:犹太人从耶路撒冷派祭司和利未人到约翰那里,问他:“你是谁?”
19Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
20约翰并不否认,坦白地承认说:“我不是基督。”
20Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
21他们又问:“那么你是谁?是以利亚吗?”他说:“我不是。”“是那位先知吗?”他回答:“不是。”
21Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
22于是他们再问:“你是谁?好让我们回复派我们来的人。你说你自己是谁?”
22Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
23他说:“我就是在旷野呼喊者的声音:‘修直主的路!’正如以赛亚先知所说的。”
23Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany.
24这些人是法利赛人派来的。
24Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo.
25他们问约翰:“你既然不是基督,不是以利亚,也不是那位先知,那么你为什么施洗呢?”
25Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
26约翰回答:“我是用水施洗,但有一位站在你们中间,是你们不认识的;
26Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
27他是在我以后来的,我就是给他解鞋带也不配。”
27dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
28这些事发生在约旦河东的伯大尼,约翰施洗的地方。
28Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa. [Na: Betabara]
29 神的羊羔第二天,约翰见耶稣迎面而来,就说:“看哪, 神的羊羔,是除去世人的罪孽的!
29Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao! [Na: mitondra]
30这一位就是我所说的:‘有一个人,是在我以后来的,位分比我高,因为他本来是在我以前的。’
30Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
31我本来不认识他,但为了要把他显明给以色列人,因此我来用水施洗。”
31Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano.
32约翰又作见证说:“我曾看见圣灵,好像鸽子从天上降下来,停留在他的身上。
32Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
33我本来不认识他,但那差我来用水施洗的对我说:‘你看见圣灵降下来,停留在谁身上,谁就是用圣灵施洗的。’
33Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina.
34我看见了,就作见证说:‘这就是 神的儿子。’”
34Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.
35呼召第一批门徒(太4:18-22;可1:16-20;路5:2-11)过了一天,约翰和他的两个门徒又站在那里。
35Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
36约翰看见耶稣走过的时候,就说:“看哪, 神的羊羔!”
36ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra!
37那两个门徒听见他的话,就跟从了耶稣。
37Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy.
38耶稣转过身来,看见他们跟着,就问:“你们要什么?”他们说:“拉比,你在哪里住?”(“拉比”的意思就是“老师”。)
38Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?
39他说:“你们来看吧!”于是他们就去看他所住的地方。那一天他们就和耶稣住在一起;那时大约是下午四点钟。
39Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay.
40听了约翰的话而跟从耶稣的那两个人,一个是西门.彼得的弟弟安得烈。
40Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy.
41他先找到自己的哥哥西门,告诉他:“我们遇见弥赛亚了!”(“弥赛亚”的意思就是“基督”。)
41Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
42安得烈就带他到耶稣那里。耶稣定睛看着他,说:“你是约翰的儿子西门,你要称为矶法。”(“矶法”翻译出来就是“彼得”。)
42Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera) [Petera = vato]
43呼召腓力和拿但业再过一天,耶稣决定往加利利去;他遇见腓力,就对他说:“来跟从我!”
43Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
44腓力是伯赛大人,与安得烈和彼得同乡。
44Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera.
45腓力找到拿但业,告诉他:“摩西在律法书上所写的,和众先知所记的那位,我们已经遇见了,他就是约瑟的儿子拿撒勒人耶稣。”
45Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta.
46拿但业说:“拿撒勒还能出什么好的吗?”腓力说:“你来看!”
46Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
47耶稣看见拿但业向他走过来,就论到他说:“看哪,这的确是个以色列人,他心里没有诡诈。”
47Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
48拿但业问他:“你怎么认识我呢?”耶稣回答:“腓力还没有招呼你,你在无花果树下的时候,我就看见你了。”
48Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy ianao. [aviavimbazaha]
49拿但业说:“拉比,你是 神的儿子,你是以色列的王!”
49Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely.
50耶稣说:“因为我告诉你‘我看见你在无花果树下’,你就信了吗?你还要看见比这些更大的事。”
50Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.
51又对他说:“我实实在在告诉你们,你们要看见天开了, 神的众使者在人子的身上,上去下来。”
51Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.