1耶稣复活(太28:1-8;可16:1-8;约20:1-10)
1Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
2发现石头已经从坟墓辊开了,
2Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana.
3就进去,却找不着主耶稣的身体。
3Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo.
4她们正为此事猜疑的时候,忽然有两个人,穿着闪烁耀目的衣服,站在她们旁边。
4Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
5她们害怕,把脸伏在地上。那两个人对她们说:“为什么在死人中找活人呢?
5Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?
6他不在这里,已经复活了。你们应当记得他还在加利利的时候,怎样告诉你们,
6Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
7说:‘人子必须被交在罪人手里,钉在十字架上,第三日复活。’”
7Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.
8她们就想起他的话,
8Dia nahatsiaro ny teniny izy.
9于是从坟地回去,把这一切事告诉十一个使徒和其余的人。
9Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra.
10那些妇女就是抹大拉的马利亚,约亚拿和雅各的母亲马利亚,以及其他在一起的妇女,她们把这些事向使徒说了。
10Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly.
11使徒以为这些话是无稽之谈,就不相信。
11Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
12彼得却起来跑到坟墓那里,屈身往里观看,只见细麻布在那里,就回去了,对所发生的事非常惊奇。
12Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
13在以马午斯路上显现(可16:12-13)同一天,门徒中有两个人往一个叫以马午斯的村子去,那村子距耶路撒冷约十一公里;
13Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.[Na: Roa ambin'ny folo kilometatra]
14他们彼此谈论所发生的这一切事。
14Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.
15正在交谈议论的时候,耶稣亲自走近他们,与他们同行,
15Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
16但他们的眼睛却给蒙蔽了,认不出他来。
16Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
17耶稣说:“你们走路的时候,彼此讨论的是什么事呢?”他们就站住,面带愁容;
17Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
18一个名叫革流巴的回答他:“在耶路撒冷作客的,难道只有你不知道这几天在那里所发生的事吗?”
18Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?[ Na: Vahiny mitoetra irery angaha Hianao any Jerosalema ka tsy mahalala]
19他说:“什么事呢?”他们说:“就是拿撒勒人耶稣的事。他是先知,在 神和众人面前,说话行事都有大能。
19Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
20我们的祭司长和官长,竟把他交出去,判了死罪,钉在十字架上。
20dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana.
21但我们素来盼望要救赎以色列的就是他。不但这样,这些事发生到今天,已经是第三天了。
21Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izay nahatongavan'izany.
22而且我们中间有几个妇女使我们惊奇,她们清早到坟墓那里去,
22Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy,
23却找不到他的身体。她们回来说看见天使显现,天使说他活了。
23ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
24又有我们中间的几个人到坟墓那里去,所看见的正如妇女们所说的,只是没有看见他。”
24Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
25耶稣说:“无知的人哪,先知所说的一切话,你们心里信得太迟钝了!
25Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany.
26基督这样受害,然后进入他的荣耀,不是应当的吗?”
26Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny?
27于是他从摩西和众先知起,把所有关于自己的经文,都给他们解释明白了。
27Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra.
28他们走近要去的村子,他好像还要往前行,
28Ary efa mby teo akaikin'ny vohitra izay efa halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
29他们强留他说:“天晚了,太阳下山了,请与我们同住吧!”他就进去与他们同住。
29Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
30到了吃饭的时候,他拿起饼来,感谢了,擘开递给他们,
30Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
31他们的眼睛开了,才认出是耶稣来;他却从他们面前不见了。
31Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
32他们彼此说:“在路上他对我们说话,给我们解释圣经的时候,我们的心不是火热的吗?”
32Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?
33他们就立时起来回耶路撒冷去。在那里遇见十一个使徒和跟他们聚在一起的人,
33Dia niainga tamin'izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy mbamin'izay nomba azy tafangona teo
34说:“主果然复活了,已经向西门显现了。”
34sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.
35两个人就把在路上的事,和擘饼的时候他们怎样认出耶稣来的事,都述说了一遍。
35Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin'ny namakiana ny mofo.
36向众门徒显现(太28:16-20;可16:14-18;约20:19-23。参徒1:6-8)正说这话的时候,耶稣亲自站在他们当中,说:“愿你们平安。”
36Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
37他们非常惊怕,以为看见了灵。
37Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
38他说:“你们为什么惊慌,为什么心里疑惑呢?
38Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
39你们看我的手、我的脚,就知道我是谁。摸我看看,灵没有骨,没有肉;你们看,我是有的。”
39Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
40说了这话,就把手和脚给他们看。
40Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
41他们欢喜到不敢相信,并且很惊奇。耶稣说:“你们这里有什么吃的没有?”
41Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?
42他们就给了他一片烧鱼。
42Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.[ Ampio hoe: sy tantely]
43他接过来,在他们面前吃了。
43Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.
44主对他们说:“这就是我从前与你们同在的时候,对你们说过的话:摩西的律法、先知书和诗篇上所记关于我的一切事,都必定应验。”
44Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
45于是他开他们的心窍,使他们明白圣经;
45Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.
46又说:“经上这样记着:基督必须受害,第三天从死人中复活。
46Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;
47人要奉他的名,传讲悔改与赦罪的道,从耶路撒冷起,直传到万国。
47ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
48你们就是这些事的见证。
48Ary ianareo no vavolombelon'izany.
49我要使我父的应许临到你们身上,你们当在城里等候,直到得着从上面来的能力。”
49Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.
50耶稣升天(参可16:19-20;徒1:9-11)主带他们出去,到了伯大尼附近,举手给他们祝福。
50Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
51正在祝福的时候,他就离开他们,被接到天上去了。
51Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
52他们就敬拜他,欢欢喜喜地回到耶路撒冷,
52Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.
53常常在殿里称颂 神。
53Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.