1耶稣被押交彼拉多(太27:1-2、11-14;可15:1-5;约18:28-38)
1Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an'i Jesosy tany amin'i Pilato,
2控告他说:“我们查出这个人煽惑我们的同胞,阻止纳税给凯撒,并且自称是基督,是王。”
2dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an'i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
3彼拉多问他:“你是犹太人的王吗?”耶稣回答:“这是你说的。”
3Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
4彼拉多对祭司长和众人说:“我在这人身上,查不出有什么罪。”
4Dia hoy Pilato tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity.
5但他们极力说:“他在犹太全地教导人,煽动群众,从加利利直到这里。”
5Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran'i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
6希律王藐视耶稣彼拉多听见了,就问耶稣是不是加利利人。
6Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
7既然知道他是从希律管辖下来的,就把他送回希律那里;那时希律正在耶路撒冷。
7Ary rehefa fantany fa avy tamin'ny tany tapahin'i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin'i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin'izany andro izany.
8希律看见耶稣,非常欢喜,因为他曾经听过耶稣的事,早就想要见他,希望看他行个神迹。
8Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an'i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.
9于是他问了耶稣许多话,但耶稣什么也不回答。
9Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
10祭司长和经学家站着,猛烈地控告他。
10Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.
11希律和他的侍卫就藐视耶稣,戏弄他,给他穿上华丽的衣服,把他送回彼拉多那里。
11Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin'i Pilato.
12希律和彼拉多从前原是彼此为仇,在那一天就成了朋友。
12Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin'izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan'izany.
13彼拉多判耶稣钉十字架(太27:15-26;可15:6-15;约18:39-19:16)彼拉多召集了祭司长、官长和民众,
13Ary rehefa nasain'i Pilato novorina ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
14对他们说:“你们把这人押到我这里来,说他煽惑群众,我已经在你们面前审讯过,在他身上一点也找不到你们控告他的罪状,
14dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity amin'izay iampanganareo Azy.
15连希律也找不到,又把他送回我这里,可见他没有作过该死的事。
15Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
16我要责打他,然后把他释放。”
16koa hofaizako Izy, dia halefako.
17(有些抄本有第17节:“每逢节期,他必须照例给他们释放一个囚犯。”也有些抄本把这句放在第19节后)
17[Ampio hoe: 17 Fa tsy maintsy mandefa ny anankiray ho an'ny olona izy amin'ny andro firavoravoana]
18众人齐声喊叫:“除掉这个人,给我们释放巴拉巴!”
18Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
19这巴拉巴是因为在城作乱杀人而入狱的。
19Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
20彼拉多再向他们说明,愿意释放耶稣。
20Ary satria tian'i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.
21然而他们高声呼叫:“把他钉十字架,把他钉十字架!”
21Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
22彼拉多第三次对他们说:“这人作过什么恶事呢?我在他身上找不出什么该死的罪。所以我要责打他,然后把他释放。”
22Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.
23但他们大声吵闹,要他把耶稣钉十字架,他们的声音就得了胜。
23Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona.
24彼拉多就宣判,照他们的要求,
24Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.
25把他们所求那作乱杀人入狱的释放了,却把耶稣交出来,随他们的意思处理。
25Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
26耶稣被钉十字架(太27:33-44;可15:21-32;约19:17-24)他们把耶稣带走的时候,抓住了一个从乡下来的古利奈人西门,把十字架放在他身上,叫他背着跟在耶稣后面。
26Ary raha nitondra an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i Jesosy.
27一大群人跟随他,有些妇女为他捶胸痛哭。
27Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
28耶稣转过身来对她们说:“耶路撒冷的女儿啊,不要为我哭,却要为你们自己和你们的儿女哭。
28Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
29日子将到,人必说:‘不生育的和没有怀过胎的,也没有哺养过婴儿的有福了。’
29Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
30那时人要对大山说:‘倒在我们身上!’对小山说:‘遮盖我们!’
30Dia hilaza amin'ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin'ny havoana hoe: Saròny izahay (Hos. 10. 8).
31他们在青绿的树上,既然这样作;在枯干的树上,又会怎样呢?”
31Fa raha ataony amin'ny hazo maitso izany hatao ahoana amin'ny maina?
32他们另外带来两个犯人,和耶稣一同处死,
32Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
33到了那名叫“髑髅”的地方,就把耶稣钉在十字架上,也钉了那两个犯人,一左一右。
33Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an'i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
34耶稣说:“父啊,赦免他们!因为他们不知道自己所作的是什么。”士兵抽签,分了他的衣服。
34Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
35群众站着观看,官长们嗤笑说:“他救了别人,如果他是基督,是 神所拣选的,让他救自己吧!”
35Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
36士兵也上前戏弄他,拿酸酒给他喝,
36Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
37说:“如果你是犹太人的王,救你自己吧!”
37sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
38在耶稣的头以上有一个牌子写着:“这是犹太人的王。”
38Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JIOSY.
39悬挂着的犯人中,有一个侮辱他说:“你不是基督吗?救你自己和我们吧!”
39Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
40另一个就应声责备他说:“你是同样受刑的,还不惧怕 神吗?
40Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41我们是罪有应得的。我们所受的与所作的相称,然而这个人并没有作过什么不对的事。”
41Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
42他又对耶稣说:“耶稣啊,你得国降临的时候,求你记念我。”
42Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.
43耶稣对他说:“我实在告诉你,今天你必定同我在乐园里了。”
43Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
44耶稣死时的情形(太27:45-56;可15:33-41)从正午直到下午三点钟,遍地都黑暗了。
44Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany,
45太阳没有光,圣所的幔子从当中裂开。
45satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin'ny tempoly.
46耶稣大声呼叫:“父啊,我把我的灵魂交在你手里。”说了这话,气就断了。
46Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
47百夫长看见所发生的事,就颂赞 神,说:“这真是个义人!”
47Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
48聚集观看的群众,看见所发生的事,都捶着胸回去了。
48Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
49与耶稣熟悉的人,和从加利利跟随他来的妇女,都远远地站着,看这些事。
49Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
50耶稣葬在坟墓里(太27:57-61;可15:42-47;约19:38-42)有一个人名叫约瑟,是个议员,为人良善公义,
50Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan'ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
51是犹太地亚利马太城的人,一向等候 神的国,并不附和众人的计谋和行为。
51Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon'ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan'ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra.
52这人去见彼拉多,求领耶稣的身体。
52Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy.
53他把身体取下来,用细麻布裹好,放在从石头凿出来的坟墓里,这坟墓是从来没有葬过人的。
53Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
54那天是预备日,安息日就要开始,
54Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.
55那些从加利利和耶稣一起来的妇女,跟着来了。她们看见了坟墓,和他的身体怎样安葬,
55Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.
56就回去预备香料和香膏。安息日,她们遵着诫命安息。
56Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.