1商议怎样杀害耶稣(太26:1-5;可14:1-2、10-11。参约11:45-53)
1Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
2祭司长和经学家设法怎样杀害耶稣,因为他们惧怕群众。
2Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an'i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
3那时,撒但已经进入加略人犹大的心,他原是十二门徒中的一个。
3Fa Satana niditra tao anatin'i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy;
4他去与祭司长和守殿官商量怎样把耶稣交给他们。
4dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin'izay hamadihany an'i Jesosy amin'ireo.
5他们很高兴,约定了给他银子。
5Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
6他答应了,就寻找机会,要趁群众不在的时候,把耶稣交给他们。
6Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin'ireo amin'ny tsy misy olona.
7预备逾越节的筵席(太26:17-19;可14:12-16)除酵日到了,在这一天应当宰杀逾越节的羊羔。
7Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
8耶稣差派彼得和约翰,说:“你们去为我们预备逾越节的晚餐给我们吃。”
8Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
9他们说:“你要我们在哪里预备呢?”
9Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
10他说:“你们进了城,必有一个人顶着水罐,迎面而来,你们就跟着他,到他所进的那一家,
10Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin'ny trano izay hidirany.
11对家主说,老师问你:‘客厅在哪里?我和门徒好在那里吃逾越节的晚餐。’
11Dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?
12他必指示你们楼上一间布置整齐的大房子,你们就在那里预备。”
12Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.
13他们去了,所遇见的正像耶稣所说的一样,就预备好了逾越节的晚餐。
13Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
14最后的晚餐(太26:20-24、26-29;可14:17-21;约13:21-30。参林前11:23-25)到了时候,耶稣和使徒一同吃饭。
14Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly.
15他说:“我十分愿意在受难以前,跟你们吃这逾越节的晚餐。
15Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
16我告诉你们,我决不再吃这晚餐,直到它成就在 神的国里。”
16Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
17耶稣接过杯来,感谢了,说:“你们拿这个,大家分着喝。
17Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
18我告诉你们,从今以后,我决不再喝这葡萄酒,直到 神的国来临。”
18fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra.
19他拿起饼来,感谢了,擘开递给他们,说:“这是我的身体,为你们舍的,你们应当这样行,为的是记念我。”
19Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
20饭后,他照样拿起杯来,说:“这杯是用我的血所立的新约,这血是为你们流的。
20Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.
21你看,出卖我的人的手和我一同在桌子上,
21Fa, indro, ny tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin'ny latabatra.
22人子固然要照所预定的离世,但出卖人子的那人有祸了!”
22Fa ny Zanak'olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
23于是,门徒彼此对问,他们中间谁要作这事。
23Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
24门徒再争论谁最大门徒中间又起了争论:他们中间谁是最大的。
24Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe.
25耶稣对他们说:“各国都有君王统治他们,他们的掌权者称为恩主,
25Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
26但你们却不要这样;你们中间最大的,应当像最小的;作首领的,应当像服事人的。
26Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
27哪一个大呢?是坐着吃喝的还是服事人的呢?不是坐着吃喝的吗?然而我在你们中间,如同服事人的。
27Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
28我在磨炼之中,常常和我同在的就是你们。
28Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko;
29父怎样把王权赐给我,我也照样赐给你们,
29koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy,
30叫你们在我的国里坐在我的席上吃喝,又坐在宝座上审判以色列的十二支派。
30mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo,
31预言彼得不认主(太26:31-35;可14:27-31;约13:36-38)“西门,西门,撒但设法要得着你们,好筛你们像筛麦子一样;
31Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.
32但我已经为你祈求,叫你的信心不至失掉。你回头的时候,要坚固你的弟兄。”
32Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
33彼得说:“主啊!我已经准备好要跟你一同下监,一同死。”
33Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza.
34耶稣说:“彼得,我告诉你,今天鸡叫以前,你会三次说不认得我。”
34Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
35要带钱囊、口袋和刀耶稣又对他们说:“从前我差你们出去,没有带钱囊、口袋、鞋子,你们缺乏什么没有?”他们说:“没有。”
35Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
36耶稣说:“但现在,有钱囊的应当带着,有口袋的也是这样;没有刀的,要卖掉衣服去买刀。
36Fa hoy Izy taminy: Fa amin'izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.
37我告诉你们,‘他被列在不法者之中’这句经文,必定应验在我身上,因为关于我的事必然成就。”
37Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan'ny mpanota (Isa. 53. 12); fa efa ho tanteraka ny amiko.
38他们说:“主啊,请看,这里有两把刀。”耶稣说:“够了。”
38Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
39在客西马尼祷告(太26:36-46;可14:32-42)耶稣照常到橄榄山去,门徒也跟着他。
39Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
40到了那里,他对门徒说:“你们应当祷告,免得陷入试探。”
40Ary raha vao tonga tao amin'izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
41于是耶稣离开他们约有扔一块石头那么远,跪下祷告说:
41Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
42“父啊,如果你愿意,就把这杯拿走!但不要成就我的意思,只要成就你的旨意。”
42Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
43(有些抄本有第43、44节:“有一位天使从天上显现,加给他力量。耶稣非常伤痛,祷告更加恳切,汗如大血点滴在地上。”)
43Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
44
44Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany.
45他祷告完了,就起来到门徒那里,看见他们因为忧愁都睡着了,
45Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy matorin'alahelo.
46就说:“你们为什么睡觉呢?起来祷告!免得陷入试探。”
46Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
47耶稣被捕(太26:47-56;可14:43-50;约18:3-11)耶稣还在说话的时候,来了一群人,十二门徒中的犹大走在前头,到了耶稣跟前要用嘴亲他。
47Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka Azy.
48耶稣对他说:“犹大,你用亲嘴作暗号出卖人子吗?”
48Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak'olona?
49左右的人见了,就说:“主啊,我们用刀砍好吗?”
49Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny sabatra va izahay?
50他们中间有一个人砍了大祭司的仆人一刀,削掉他的右耳。
50Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
51耶稣说:“由他们吧!”就摸那人的耳朵,医好了他。
51Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
52耶稣对那些前来捉拿他的祭司长、守殿官和长老说:“你们带着刀棒出来,把我当作强盗捉拿吗?
52Ary hoy Jesosy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
53我天天跟你们在殿里,你们不向我下手;但现在是你们的时候了,也是黑暗掌权的时候了。”
53Raha teo aminareo isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny maizina.
54彼得三次不认主(太26:57-58、69-75;可14:53-54、66-72;约18:12-18、25-27)他们拿住耶稣,押到大祭司家里,彼得远远地跟着。
54Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
55他们在院内生了火,一同坐着,彼得也坐在他们中间。
55Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
56有一个使女,见他面向火光坐着,就注视他,说:“这人是和他一伙的。”
56Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
57彼得却否认,说:“你这个女人,我不认得他。”
57Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
58不久,另一个人看见他,就说:“你也是他们中间的一个。”彼得说:“你这个人,我不是。”
58Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
59大约过了一小时,又有一个人肯定地说:“这人真是和他一伙的,因为他也是加利利人。”
59Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
60彼得说:“你这个人,我不知道你说的是什么!”他还在说话的时候,鸡就叫了。
60Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
61主转过身来看彼得,彼得就想起主对他说过的话:“今天鸡叫以前,你要三次说不认得我。”
61Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
62他就出去痛哭。
62Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
63公议会审问耶稣(太26:59-68;可14:55-65;约18:19-24)看管耶稣的人戏弄他,
63Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
64蒙住他的眼睛问他:“你说预言吧,说打你的是谁。”
64Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
65他们还说了许多别的辱骂他的话。
65Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
66天一亮,民间的长老、祭司长和经学家就都聚集,把他带到他们的公议会里,说:
66Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo amin'ny Synedriona, dia nanao hoe:
67“你若是基督,就告诉我们吧。”耶稣说:“就算我告诉你们,你们也决不相信。
67Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.
68如果我问你们,你们也决不回答。
68Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.
69从今以后,人子要坐在 神权能的右边。”
69Fa hatramin'izao ny Zanak'olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra.
70他们说:“那么你是 神的儿子吗?”耶稣说:“你们说了,我是。”
70Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.
71他们说:“我们还需要什么证供呢?我们亲自听见他所说的话了。”
71Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.