1生命的活水
1Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
2(其实不是耶稣亲自施洗,而是他的门徒施洗),
2(kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
3就离开了犹太,再往加利利去。
3dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
4他必须经过撒玛利亚。
4Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy.
5于是到了撒玛利亚的一座城,名叫叙加;这城靠近雅各给他儿子约瑟的那块地。
5Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany.
6在那里有雅各井。耶稣因为旅途疲倦了,就坐在井旁;那时大约正午。
6Ary teo ilay fantsakan'i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina. [Gr. loharano; sahala amin'ny teny ao amin'ny and. 14]
7有一个撒玛利亚妇人来打水。耶稣对她说:“请给我水喝。”
7Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
8那时,他的门徒都进城买食物去了。
8(Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
9撒玛利亚妇人对耶稣说:“你是犹太人,怎么向我,一个撒玛利亚妇人要水喝呢?”(原来犹太人和撒玛利亚人不相往来。)
9Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.)
10耶稣回答她:“你若知道 神的恩赐,和对你说‘请给我水喝’的是谁,你必早已求他,他也必早把活水赐给你了。”
10Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
11妇人说:“先生,你没有打水的器具,井又深,你从哪里得活水呢?
11Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
12我们的祖先雅各把这口井留给我们,他自己和子孙以及牲畜都喝这井的水,难道你比他还大吗?”
12Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto?
13耶稣回答:“凡喝这水的,还要再渴;
13Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
14人若喝我所赐的水,就永远不渴。我所赐的水要在他里面成为涌流的泉源,直涌到永生。”
14fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
15妇人说:“先生,请把这水赐给我,使我不渴,也不用来这里打水。”
15Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
16必须用心灵按真理敬拜 神耶稣说:“你去,叫你的丈夫,然后回到这里来。”
16Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ .
17妇人对他说:“我没有丈夫。”耶稣说:“你说‘没有丈夫’是不错的。
17Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
18你以前有五个丈夫,现在有的并不是你的丈夫;你说这话是真的。”
18fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
19妇人说:“先生,我看出你是先知。
19Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
20我们的祖先在这山上敬拜 神,而你们却说,敬拜的地方必须在耶路撒冷。”
20Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
21耶稣说:“妇人,你应当信我,时候将到,那时你们敬拜父,不在这山上,也不在耶路撒冷。
21Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.
22你们敬拜你们所不知道的,我们却敬拜我们所知道的,因为救恩是从犹太人出来的。
22Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena.
23然而时候将到,现在就是了,那用心灵按真理敬拜父的,才是真正敬拜的人;因为父在寻找这样敬拜他的人。
23Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [Gr. ora]
24 神是灵,敬拜他的必须用心灵按真理敬拜他。”
24Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
25妇人说:“我知道那称为基督的弥赛亚要来;他来了,要把一切都告诉我们。”
25Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
26耶稣说:“我这现在跟你说话的就是他。”
26Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
27正在这时候,门徒回来了,见耶稣和一个妇人说话,就很希奇;但是没有人问:“你要什么?”或说:“你为什么跟她说话?”
27Ary tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
28那妇人撇下了她的水罐,进到城里去,对众人说:
28Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe:
29“你们来,看看一个人,他把我所作的一切都说出来,难道这人就是基督吗?”
29Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
30众人就出城,往耶稣那里去。
30Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesosy.
31庄稼已经熟了当时,门徒对耶稣说:“拉比,请吃。”
31Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô.
32耶稣说:“我有食物吃,是你们所不知道的。”
32Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
33门徒就彼此说:“难道有人拿东西给他吃了吗?”
33Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
34耶稣说:“我的食物就是遵行差我来者的旨意,并且完成他的工作。
34Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
35你们不是说‘还有四个月才到收获的时候’吗?我告诉你们,举目向田观看,庄稼已经熟了,可以收割了。
35Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.
36收割的人得到工资,也积储五谷直到永生,使撒种的和收割的一同快乐。
36Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
37‘这人撒种,那人收割’,这话是真的。
37Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
38我派你们去收割你们所没有劳苦的;别人劳苦,你们却享受他们劳苦的成果。”
38Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany.
39因着那妇人作见证的话:“他把我所作的一切都说出来了”,那城里就有许多撒玛利亚人信了耶稣。
39Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
40于是他们来到耶稣那里,求他和他们同住,耶稣就在那里住了两天。
40Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.
41因着耶稣的话,信他的人就更多了。
41Ary maro koa no nino noho ny teniny
42他们就对那妇人说:“现在我们信,不再是因为你的话,而是因为我们亲自听见了,知道这位真是世人的救主。”
42ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
43治好大臣的儿子两天之后,耶稣离开那里,往加利利去。
43Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
44耶稣自己说过:“先知在本乡是不受尊敬的。”
44Fa ny tenan'i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin'ny taniny.
45耶稣到了加利利的时候,加利利人都欢迎他,因为他们曾经上耶路撒冷去过节,见过他所行的一切。
45Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin'ny andro firavoravoana.
46耶稣又到了加利利的迦拿,就是他变水为酒的地方。有一个大臣,他的儿子在迦百农患病。
46Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
47他听见耶稣从犹太到了加利利,就来见他,求他下去医治他的儿子,因为他的儿子快要死了。
47Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
48耶稣对他说:“你们若看不见神迹奇事,总是不肯信。”
48Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
49大臣说:“先生,求你趁我的孩子还没有死就下去吧!”
49Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
50耶稣告诉他:“回去吧,你的儿子好了。”那人信耶稣对他说的话,就回去了。
50Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
51正下去的时候,他的仆人迎着他走来,说他的孩子好了。
51Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
52他就向仆人查问孩子是什么时候好转的。他们告诉他:“昨天下午一点钟,热就退了。”
52Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy.
53这父亲就知道,那正是耶稣告诉他“你的儿子好了”的时候,他自己和全家就信了。
53Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra.Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
54这是耶稣从犹太回到加利利以后所行的第二件神迹。
54Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.