1治好病了三十八年的人
1Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
2在耶路撒冷靠近羊门有一个水池,希伯来话叫作毕士大,池边有五处走廊。
2Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.
3在那里躺着许多病人,有瞎眼的、瘸腿的和瘫痪的。
3Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila. [Gr. efa maina, na malazo. Ampio hoe: [miandry ny fihetsehan'ny rano]
4(有些抄本有以下一段:“他们等候水动,4因为有主的使者按时下去搅动池水,水动之后,谁先下去,无论什么病,必得痊愈。”)
4[Fa nisy anjely nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay iray niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana na inona na inona no aretina nanjo azy]
5那里有一个人,病了三十八年。
5Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.
6耶稣看见他躺着,知道他病了很久,就问他:“你要痊愈吗?”
6Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?
7病人回答:“先生,水动的时候,没有人把我放在池里;自己想去的时候,总是给别人抢先。”
7Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
8耶稣对他说:“起来,拿着你的褥子走吧。”
8Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.
9那人立刻痊愈,就拿起褥子走了。那天正是安息日。
9Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.
10因此犹太人对那医好了的人说:“今天是安息日,你拿着褥子是不可以的。”
10Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.
11他却回答:“那使我痊愈的对我说:‘拿起你的褥子走吧’。”
11Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.
12他们就问:“那对你说‘拿起来走吧’的是谁?”
12Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?
13那医好了的人不知道他是谁,因为那里人很多,耶稣已经避开了。
13Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
14后来,耶稣在殿里遇见那人,对他说:“你已经痊愈了,不可再犯罪,免得招来更大的祸患。”
14Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
15那人就去告诉犹太人,使他痊愈的就是耶稣。
15Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
16从此犹太人就迫害耶稣,因为他常常在安息日作这些事。
16Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy.
17耶稣却对他们说:“我父作工直到现在,我也作工。”
17Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
18因此犹太人就更想杀耶稣,因为他不但破坏安息日,而且称 神为自己的父,把自己与 神当作平等。
18Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.
19人子的权柄耶稣又对他们说:“我实实在在告诉你们,子靠着自己不能作什么,只能作他看见父所作的;因为父所作的事,子也照样作。
19Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.
20父爱子,把自己所作的一切指示给他看,还要把比这些更大的事指示给他看,使你们惊奇。
20Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.
21父怎样叫死人复活,使他们得生命,子也照样随自己的意思使人得生命。
21Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany.
22父不审判人,却已经把审判的权柄完全交给子,
22Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,
23使所有的人尊敬子好像尊敬父一样。不尊敬子的,就是不尊敬那差他来的父。
23mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
24我实实在在告诉你们,那听见我的话又信那差我来的,就有永生,不被定罪,而是已经出死入生了。
24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. [Gr. hotsaraina]
25我实实在在告诉你们,时候将到,现在就是了,死人要听见 神儿子的声音,听见的人就要活了。
25Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. [Gr. ora]
26就如父是生命的源头,照样他也使子成为生命的源头,
26Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;
27并且把执行审判的权柄赐给他,因为他是人子。
27ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona.
28你们不要把这事看作希奇,因为时候将到,那时所有在坟墓里的都要听见他的声音,
28Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; [Gr. ora]
29并且都要出来;行善的复活得生命,作恶的复活被定罪。
29dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana ho fahamelohana. [Gr. ho fitsarana]
30给耶稣作见证的“我靠着自己不能作什么,我怎样听见,就怎样审判。我的审判是公义的,因为我不寻求自己的意思,只求那差我来者的旨意。
30Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
31我若为自己作证,我的见证就不真。
31Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.
32然而另有一位为我作证的,我知道他为我作的见证是真的。
32Misy Anankiray Izay manambara Ahy. ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.
33你们曾经派人到约翰那里,他为真理作过见证。
33Hianareo naniraka tany amin'i Jaona, ary nanambara ny marina izy.
34我不接受从人而来的见证,但我说这些事,是要你们得救。
34Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin'olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo.
35约翰是一盏点亮的灯,你们情愿暂时在他的光中欢乐。
35Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin'faharavany.
36但我有比约翰更大的见证,因为父赐给我要我完成的工作,就是我所要作的,证明我是父所差来的。
36Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen'ny Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin'ny Ray.
37差我来的父亲自为我作了见证。他的声音,你们从没有听过;他的容貌,你们从没有见过;
37Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny,
38他的道,你们也不放在心里,因为你们不信他所差来的那一位。
38ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.
39你们研究圣经,因为你们认为圣经中有永生,其实为我作证的就是这圣经,
39Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. [Na: Diniho]
40然而你们却不肯到我这里来得生命。
40Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.
41“我不接受从人而来的称赞;
41Tsy mandray laza avy amin'olona
42我知道你们心里没有 神的爱。
42Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao am-ponareo.
43我奉我父的名而来,你们不接待我;如果有别人以自己的名义而来,你们倒接待他。
43Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.
44你们彼此接受称赞,却不寻求从独一的 神而来的称赞,怎么能信呢?
44Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?
45不要以为我要向父控告你们,有一位控告你们的,就是你们所仰赖的摩西。
45Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.
46你们若信摩西,也必信我,因为他所写的书曾论及我。
46Fa raha mba nino an'i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?
47你们若不信他所写的,怎能信我的话呢?”
47Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?