1耶稣的弟弟也不信他
1Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
2犹太人的住棚节快到了,
2Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely,
3耶稣的弟弟就对他说:“你应当离开这里上犹太去,好让你的门徒也可以看见你所行的事;
3ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
4因为没有人想引人注目,却在暗处行事的。你既然行这些事,就应该向世人显明自己。”
4fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. [Na: mitady ho hita fa matoky]
5原来连他的弟弟也不信他。
5Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
6耶稣就对他们说:“我的时候还没有到,你们的时候却常常是方便的。
6Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
7世人不能恨你们,却憎恨我,因为我指证他们的行为是邪恶的。
7Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.
8你们上去过节吧!我现在不上去,因为我的时机还没有成熟。”
8Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
9他说了这些话以后,仍然住在加利利。
9Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
10住棚节时在殿里教导人然而,他的弟弟上去过节以后,他也上去过节,不是公开地去,却是暗中地去。
10Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
11过节的时候,犹太人寻找耶稣,说:“那人在哪里呢?”
11Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
12群众因他纷纷议论,有的说:“他是好人。”有的说:“不,他是欺骗众人的。”
12Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
13但没有人敢公开讲论他,因为怕犹太人。
13Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
14节期当中,耶稣上圣殿去教导人。
14Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
15犹太人就希奇,说:“这个人没有学过,怎会通晓经书呢?”
15Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
16耶稣说:“我的教训不是我自己的,而是出于那差我来的。
16Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
17人若愿意遵行 神的旨意,就会知道这教训是出于 神,还是我凭着自己的意思说的。
17Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
18那凭着自己的意思说的,是求自己的荣誉;但那寻求差他来者的荣耀的,才是真诚的人,在他里面没有不义。
18Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
19摩西不是曾经把律法传给你们吗?你们竟然没有一个人遵行律法。你们为什么想要杀我呢?”
19Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
20群众回答:“你是鬼附的,谁想要杀你呢?”
20Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
21耶稣说:“我行了一件事,你们都以为希奇。
21Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.
22摩西曾经把割礼传给你们(其实割礼不是从摩西开始的,而是从列祖开始的),因此,你们在安息日也给人行割礼。
22Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.
23如果人在安息日行割礼,为的是要遵守摩西的律法,那么我在安息日使一个人痊愈,你们就向我生气吗?
23Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata.
24不要按外貌判断人,总要公公平平地判断人。”
24Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.
25他是基督吗?当时,有些耶路撒冷人说:“这不是他们想要杀的人吗?
25Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
26你看,他还在公开地讲话,竟然没有人对他说什么,难道官长们真的认为这个人就是基督吗?
26Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?
27可是我们知道这个人是从哪里来的,只是基督来的时候,没有人知道他是从哪里来的!”
27Nefa fantatsika izay nihavian'ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
28当时耶稣在殿里教导人,大声说:“你们以为认识我,也知道我从哪里来,其实我不是凭着自己的意思来的,但那差我来的是真实的,你们却不认识他。
28Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
29然而我认识他,因为我从他那里来,也是他差我来的。”
29Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
30于是他们想逮捕他,只是没有人下手,因为他的时候还没有到。
30Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
31群众中有许多人信了他。他们说:“基督来的时候,他所行的神迹,能比这人所行的更多吗?”
31Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy?
32法利赛人等想逮捕耶稣法利赛人听见群众纷纷议论这些关于耶稣的事,祭司长和法利赛人就派差役去逮捕耶稣。
32Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
33于是耶稣说:“我跟你们在一起的时候不多了,我要回到那差我来的那里去。
33Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho.
34你们要寻找我,却找不着;我所在的地方,你们是不能去的。”
34Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
35犹太人彼此说:“这个人要到哪里去,使我们找不着他呢?难道他要到散居在希腊人中的犹太人那里,去教导希腊人吗?
35Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
36他说‘你们要寻找我,却找不着;我所在的地方,你们是不能去的’这话,是什么意思呢?”
36Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
37信的人要接受圣灵节期的最后一天,就是最隆重的那一天,耶稣站着高声说:“人若渴了,可以到我这里来喝!
37Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
38信我的人,就像圣经所说的,从他的腹中要涌流出活水的江河来。”
38Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
39他这话是指着信他的人要接受圣灵说的;那时圣灵还没有降临,因为耶稣还没有得着荣耀。
39Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [ Na: Fanahy Masina]
40群众因耶稣起了纷争群众中有人听了这些话,就说:“这真是‘那位先知’!”
40Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
41另有人说:“他是基督。”还有人说:“基督是从加利利出来的吗?
41Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy?
42圣经不是说基督是大卫的后裔,是从大卫本乡伯利恒出来的吗?”
42Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)?
43群众因为耶稣的缘故,就起了纷争。
43Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka.
44他们中间有人想逮捕耶稣,只是没有人下手。
44Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
45官长不信耶稣差役回到祭司长和法利赛人那里。他们就问差役:“你们为什么没有把他带来?”
45Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
46差役回答:“从来没有人像他这样讲话的!”
46Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
47法利赛人说:“连你们也受了欺骗吗?
47Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
48官长或法利赛人中间有谁是信他的呢?
48Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
49至于这群不明白律法的人,他们是可咒诅的。”
49Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
50他们当中有一个人,就是以前来见耶稣的尼哥德慕,对他们说:
50Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:
51“如果不先听取人的口供,查明他所作的事,我们的律法怎能把他定罪呢?”
51Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
52他们回答:“你也是从加利利出来的吗?你去考查一下,就知道先知是不会从加利利兴起的。”
52Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;]
53于是各人都回家去了。(后期抄本才加上7:53-8:11)
53[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;]