1耶稣不定犯奸淫妇人的罪
1[fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva]
2黎明的时候,他又到圣殿去,众人都来到他那里,他就坐下教导他们。
2[Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan'ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy]
3经学家和法利赛人带了一个行淫时被抓到的妇人来,叫她站在中间,
3[Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,]
4就对耶稣说:“先生,这妇人是正在犯奸淫的时候被抓到的。
4[dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga]
5摩西在律法上吩咐我们把这样的妇人用石头打死,你怎样说呢?”
5[Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?]
6他们说这话是要试探耶稣,要找把柄来控告他。耶稣却弯下身,用指头在地上写字。
6[Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany]
7他们不住地问耶稣,他就挺起身来,说:“你们中间谁是没有罪的,他就可以先拿起石头打她。”
7[Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany]
8于是又弯下身在地上写字。
8[Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany]
9他们听了这话,就从年老的开始,一个一个地都离开了,留下的只有耶稣和那个还站在那里的妇人。
9[Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo]
10耶稣挺起身来,问她:“妇人,他们在哪里?没有人定你的罪吗?”
10[Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?]
11她说:“主啊!没有。”耶稣说:“我也不定你的罪。走吧,从现在起不要再犯罪了。”
11[Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony]
12耶稣是世界的光耶稣又对众人说:“我是世界的光,跟从我的,必定不在黑暗里走,却要得着生命的光。”
12Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.
13法利赛人对他说:“你为自己作证,你的见证不是真实的。”
13Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.
14耶稣回答:“即使我为自己作证,我的见证还是真实的,因为我知道我从哪里来,往哪里去,但你们却不知道我从哪里来,往哪里去。
14Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.
15你们按着外貌判断人,我却不判断人。
15Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.
16即使我判断人,我的判断也是正确的,因为我不是独自一人,而是差我来的父和我在一起。
16Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy.
17你们的律法上也写着:‘两个人的见证才是真的。’
17Ary voasoratra ao amin'ny lalànareo fa marina ny fanambaran'ny olona roa lahy (Deo. 19. 15).
18我为自己作证,差我来的父也为我作证。”
18Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.
19他们问:“你的父在哪里?”耶稣回答:“你们不认识我,也不认识我的父;如果你们认识我,也就认识我的父了。”
19Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.
20这些话是耶稣在殿里教导人的时候,在银库的院中说的。当时没有人逮捕他,因为他的时候还没有到。
20Izany teny izany no nolazain'i Jesosy teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
21不信基督的必在罪中死亡耶稣又对他们说:“我要去了,你们要寻找我,并且要在自己的罪中死亡;我去的地方,你们不能到。”
21Ary hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.
22于是犹太人说:“他说‘我去的地方,你们不能到’,难道他要自杀吗?”
22Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?
23耶稣说:“你们是从地上来的,我是从天上来的;你们属这世界,我却不属这世界,
23Fa hoy Izy taminy; Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao;
24所以我对你们说,你们要在自己的罪中死亡;你们若不信我就是‘那一位’,就要在自己的罪中死亡。”
24koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo.
25他们就问:“你是谁?”耶稣说:“我不是从起初就告诉你们吗?
25Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany. [Na: Ilay lazaiko aminareo indrindra]
26关于你们,我有许多事要说,要判断;但那差我来的是真实的,我从他那里听见的,就告诉世人。”
26Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao.
27他们不明白耶稣是对他们讲论父的事。
27Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,
28所以耶稣说:“你们举起了人子以后,必定知道我就是‘那一位’,并且知道我不凭着自己作什么事;我说的这些话,是照着父所教导我的。
28ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.
29那差我来的和我同在,他没有留下我独自一人,因为我常作他喜悦的事。”
29Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.
30耶稣说这些话的时候,就有许多人信了他。
30Raha nanao izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy.
31真理必使人自由于是耶稣对信了他的犹太人说:“你们若持守我的道,就真是我的门徒了;
31Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;
32你们必定认识真理,真理必定使你们自由。”
32ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
33他们说:“我们是亚伯拉罕的后裔,从来没有被谁奴役过,你怎么说‘你们必得自由’呢?”
33Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?
34耶稣说:“我实实在在告诉你们,凡犯罪的都是罪的奴隶。
34Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.
35奴隶不能永远住在家里,唯有儿子才可以永远住在家里。
35Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva. [Gr. mandrakizay]
36所以, 神的儿子若使你们自由,你们就真的得自由了。
36Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
37我知道你们是亚伯拉罕的后裔;但你们想杀我,因为你们心里不能容纳我的道。
37Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.
38我所说的,是我在父那里看见的;但你们所作的,却是从你们的父那里听见的。”
38Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.
39魔鬼的儿女不肯听主的道他们说:“我们的祖宗是亚伯拉罕。”耶稣说:“你们若是亚伯拉罕的子孙,就必作亚伯拉罕所作的。
39Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo.
40现在我把从 神那里听见的真理告诉了你们,你们竟然想杀我,这不是亚伯拉罕所作的。
40Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.
41你们要作的,正是你们的父要作的。”他们说:“我们不是从淫乱生的;我们只有一位父,就是 神。”
41Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.
42耶稣说:“如果 神是你们的父,你们就必爱我,因为我是从 神那里来的;我已经来到这里。我不是凭着自己来的,而是 神差了我来。
42Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
43你们为什么不明白我的话呢?因为我的道你们听不进去。
43Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
44你们是出于你们的父魔鬼,喜欢按着你们的父的私欲行事。他从起初就是杀人的凶手,不守真理,因为他心里没有真理。他说谎是出于本性,因为他本来就是说谎者,也是说谎的人的父。
44Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [Na: (mitoetra amin')]
45我讲真理,你们却因此不信我。
45Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.
46你们中间有谁能指证我有罪呢?我既然讲真理,你们为什么不信我呢?
46Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?
47出于 神的,就听 神的话;你们不听,因为你们不是出于 神的。”
47Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.
48亚伯拉罕以前耶稣已存在犹太人对耶稣说:“我们说你是撒玛利亚人,并且是鬼附的,不是很对吗?”
48Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?
49耶稣回答:“我不是鬼附的。我尊敬我的父,你们却侮辱我。
49Jesosy namaly hoe: Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.
50我不求自己的荣耀,但有一位是为我求荣耀,并且是审判人的。
50Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.
51我实实在在告诉你们,人若遵守我的道,必定永远不见死亡。”
51Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.
52犹太人对他说:“现在我们知道你的确是鬼附的。亚伯拉罕死了,先知们也死了,你还说‘人若遵守我的道,必定永远不尝死味’,
52Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.
53难道你比我们的祖宗亚伯拉罕还大吗?他死了,先知们也死了;你把自己当作什么人呢?”
53Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?
54耶稣回答:“如果我荣耀自己,我的荣耀就算不得什么;那使我得荣耀的是我的父,就是你们说是你们的 神的那一位。
54Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.
55可是你们不认识他,我却认识他。如果我说我不认识他,我就像你们一样是说谎的;然而我认识他,也遵守他的道。
55Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.
56你们的祖宗亚伯拉罕,因为可以看见我的日子就欢喜,既然看见了,他就很快乐。”
56Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
57犹太人对他说:“你还不到五十岁,怎会见过亚伯拉罕呢?”
57Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va?
58耶稣说:“我实实在在告诉你们,亚伯拉罕出生以前,我已经存在了。”
58Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly. [Ampio hoe: ary namaky teo afovoan'ny olona ka lasa]
59于是他们拿起石头要打他。耶稣却躲起来,从殿里出去了。
59Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly. [Ampio hoe: ary namaky teo afovoan'ny olona ka lasa]