聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

John

9

1治好生来瞎眼的人
1Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
2他的门徒问他:“拉比,这人生下来就瞎眼,是谁犯了罪?是他呢,还是他的父母呢?”
2Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3耶稣回答:“不是他犯了罪,也不是他的父母犯了罪,而是要在他身上彰显 神的作为。
3Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.
4趁着白昼,我们必须作那差我来者的工;黑夜一到,就没有人能作工了。
4Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
5我在世上的时候,是世界的光。”
5Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao.
6说了这话,就吐唾沫在地上,用唾沫和了一点泥,把泥抹在瞎子的眼睛上,
6Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba.
7对他说:“你去西罗亚池洗一洗吧。”(西罗亚就是“奉差遣”的意思。)于是他就去了,洗完了,走的时候,就看见了。
7Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
8那时,邻居和以前常常见他讨饭的人说:“这不是那一向坐着讨饭的人吗?”
8Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
9有的说:“是他。”有的说:“不是他,只是像他。”他自己说:“是我。”
9Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
10他们就问他:“你的眼睛是怎样开的呢?”
10Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao?
11他回答:“那名叫耶稣的人和了一点泥,抹在我的眼上,对我说:‘你去西罗亚池洗一洗吧。’我去一洗,就看见了。”
11Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
12他们说:“那人在哪里?”他说:“我不知道。”
12Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
13法利赛人查问瞎眼的人他们就把那个从前瞎眼的人带到法利赛人那里。
13Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo.
14耶稣和了泥开他眼睛的那一天,正是安息日。
14Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
15法利赛人又问他是怎样可以看见的。他告诉他们:“耶稣把泥抹在我的眼上,我一洗就看见了。”
15Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
16有几个法利赛人说:“那个人不是从 神那里来的,因为他不守安息日。”另外有些人说:“一个罪人怎能行这样的神迹呢?”他们就起了纷争。
16Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
17他们再对瞎子说:“他既然开了你的眼睛,你说他是什么人?”他说:“他是个先知。”
17Ary hoy indray izy tamin'ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
18犹太人不信他从前是瞎眼,现在才能看见的,于是把他的父母叫来,
18Ary amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin'ilay nahiratra
19问他们:“这是你们所说那生下来就瞎眼的儿子吗?现在他怎么又能看见呢?”
19ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
20他的父母回答:“我们知道他是我们的儿子,生下来就瞎眼;
20Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21现在他是怎样可以看见的,我们不知道;谁开了他的眼睛,我们也不知道。你们问他吧;他已经长大成人,可以替自己讲话了。”
21fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.
22他的父母这样说,是因为怕犹太人,原来犹太人已经定好了,不论谁承认耶稣是基督,就要把那人赶出会堂。
22Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga.
23因此他的父母说:“他已经长大成人,你们问他吧。”
23Izany no nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24于是法利赛人第二次把那从前瞎眼的人叫来,对他说:“你应当归荣耀给 神,我们知道这人是个罪人。”
24Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
25那人回答:“他是不是个罪人,我不知道;我只知道一件事,就是我本来是瞎眼的,现在能看见了。”
25Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
26他们就问:“他向你作了什么呢?他怎样开了你的眼睛呢?”
26Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
27他回答:“我已经告诉你们,但是你们不听;为什么现在又想听呢?你们也想成为他的门徒吗?”
27Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
28他们就骂他,说:“你才是他的门徒,我们是摩西的门徒。
28Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.
29我们知道 神曾对摩西说话;只是这个人,我们不知道他从哪里来。”
29Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
30那人对他们说:“这就奇怪了,他开了我的眼睛,你们竟然不知道他从哪里来。
30Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
31我们知道 神不听罪人的祈求,只听那敬畏 神,遵行他旨意的人。
31Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny..
32自古以来,没有人听过生下来就是瞎眼的,有人可以开他们的眼睛。
32Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.
33这人若不是从 神那里来的,他就不能作什么。”
33Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
34他们说:“你的确是在罪中生的,还敢教训我们吗?”就把他赶出去。
34Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
35耶稣听见他们把他赶出去,后来遇见他的时候,就对他说:“你信人子吗?”
35Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?
36他说:“先生,谁是人子,好让我信他呢?”
36Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37耶稣说:“你已经见过他,现在跟你说话的就是他。”
37Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
38那人说:“主啊,我信。”就向他下拜。
38Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
39耶稣说:“我到这世上来是为了审判,使那看不见的能够看见,能看见的反而成了瞎眼的。”
39Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40有些和耶稣在一起的法利赛人听了这话,就说:“难道我们也是瞎眼的吗?”
40Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
41耶稣对他们说:“如果你们是瞎眼的,就没有罪了;但现在你们说‘我们能看见’,所以你们还是有罪的。”
41Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.