1序言(参徒1:1)
1Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa[Na: inoana tokoa amintsika]
2按照起初亲眼看见的传道人所传给我们的,编著成书;
2araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin'ny voalohany:[Gr. mpanompo]
3我已经把这些事从头考查过,认为也应该按着次序写给你,
3dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,[Gr. mahery indrindra; teny fanajana ny lehibe izany]
4让你晓得所学到的道理,都是确实的。
4mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
5天使预言施洗约翰出生犹太王希律在位的日子,亚比雅班里有一个祭司,名叫撒迦利亚,他妻子是亚伦的后代,名叫以利沙伯。
5Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.
6他们在 神面前都是义人,遵行主的一切诫命规条,无可指摘,
6Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.
7只是没有孩子,因为以利沙伯不生育,二人又都上了年纪。
7Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
8有一次,撒迦利亚在 神面前按着班次执行祭司的职务,
8Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony,
9照祭司的惯例抽中了签,进入主的圣殿烧香。
9araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
10烧香的时候,众人都在外面祈祷。
10Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
11有主的使者站在香坛右边,向他显现。
11Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12撒迦利亚一见就惊慌起来,十分害怕。
12Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
13天使说:“撒迦利亚,不要怕,因为你的祈求已蒙垂听,你妻子以利沙伯要给你生一个儿子,你要给他起名叫约翰。
13Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
14你必欢喜快乐,许多人因他出生,也必喜乐。
14Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.
15他在主面前要被尊为大,淡酒浓酒都不喝,未出母腹就被圣灵充满。
15Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
16他要使许多以色列人转向主他们的 神。
16Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.
17他必有以利亚的灵和能力,行在主的前面,叫父亲的心转向儿女,叫悖逆的转向义人的意念,为主安排那预备好了的人民。”
17Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).
18撒迦利亚对天使说:“我怎么能知道这事呢?我已经老了,我妻子也上了年纪。”
18Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.
19天使回答:“我是站在 神面前的加百列,奉差遣向你说话,报给你这好消息。
19Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
20看吧!到了时候我的话必要应验;因为你不信我的话,你必成为哑巴,直到这些事成就的那一天,才能说话。”
20Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.
21众人等候撒迦利亚;因他在圣殿里迟迟不出来,觉得奇怪。
21Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.
22等到他出来,却不能讲话,竟成了哑巴,不断地向他们打手式,他们就知道他在圣殿里见了异象。
22Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
23供职的日子满了,他就回家去。
23Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24过了几天,他妻子以利沙伯怀了孕,隐藏了五个月,说:
24Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
25“主在眷顾的日子,这样看待我,要把我在人间的羞耻除掉。”
25Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.
26天使预言耶稣降生到了第六个月,天使加百列奉 神差遣,往加利利的拿撒勒城去,
26Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
27到了一个童贞女那里,她已经和大卫家一个名叫约瑟的人订了婚,童贞女的名字是马利亚。
27ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.
28天使进去,对她说:“恭喜!蒙大恩的女子,主与你同在!”
28Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.[Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao]
29她却因这话惊慌起来,反复思想这样祝贺是什么意思。
29Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.
30天使说:“马利亚,不要怕!因你已从 神那里蒙了恩。
30Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao.
31你将怀孕生子,要给他起名叫耶稣。
31Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32他将要被尊为大,称为至高者的儿子,主 神要把他祖大卫的王位赐给他,
32Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;
33他要作王统治雅各家,直到永远,他的国没有穷尽。”
33ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
34马利亚对天使说:“我还没有出嫁,怎能有这事呢?”
34Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35天使回答:“圣灵要临到你,至高者的能力要覆庇你,因此那将要出生的圣者,必称为 神的儿子。
35Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[Na: haterakao]
36你看,你亲戚以利沙伯,被称为不生育的,在老年也怀了男胎,现在已是第六个月了,
36Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
37因为在 神没有一件事是不可能的。”
37Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
38马利亚说:“我是主的婢女,愿照你的话成就在我身上!”天使就离开她去了。
38Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
39马利亚往见以利沙伯后来,马利亚就起身,急忙向山地去,来到犹大的一座城,
39Ary Maria niainga tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;
40进了撒迦利亚的家,向以利沙伯问安。
40ary niditra tao an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.
41以利沙伯一听见马利亚的问安,腹中的胎儿就跳动,以利沙伯也被圣灵充满,
41Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,[Na: niantsambotra]
42就高声说:“你在女子中是有福的!你腹中的胎儿也是有福的!
42dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
43我主的母亲竟然到我这里来。这事怎会临到我呢?
43Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?
44你看,你问安的声音一进我的耳朵,我腹中的胎儿就欢喜跳跃。
44Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
45这相信主传给她的话必要成就的女子是有福的。”
45Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.
46马利亚尊主为大(参撒上2:1-10)马利亚说:“我心尊主为大,
46Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
47我灵以 神我的救主为乐,
47Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
48因为他垂顾他使女的卑微,看哪!今后万代都要称我为有福。
48Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
49全能者为我行了大事,他的名为圣;
49Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.
50他的怜悯世世代代归与敬畏他的人。
50Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
51他用膀臂施展大能,驱散心里妄想的狂傲人。
51Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.
52他使有权能的失位,叫卑微的升高,
52Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
53让饥饿的得饱美食,使富足的空手回去。
53Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
54他扶助了他的仆人以色列,为要记念他的怜悯,
54Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony
55正如他向我们列祖所说的,恩待亚伯拉罕和他的后裔,直到永远。”
55(Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
56马利亚和以利沙伯同住约有三个月,就回家去了。
56Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
57施洗约翰出生以利沙伯的产期到了,生了一个儿子。
57Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
58邻里亲戚,听见主向她大施怜悯,都和她一同欢乐。
58Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
59到了第八天,他们来给孩子行割礼,要照他父亲的名字,叫他撒迦利亚。
59Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
60但他母亲说:“不可,要叫他约翰。”
60Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61他们说:“你亲族里没有叫这名字的。”
61Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.
62他们就向孩子的父亲打手式,看他要叫他什么。
62Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
63他要了一块写字版,写上说:“他的名字是约翰。”众人都希奇。
63Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64撒迦利亚的口舌立刻开了,就出声称颂 神。
64Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra.
65住在周围的人都害怕,这一切事传遍了整个犹太山地,
65Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany.
66凡听见的就把这些事放在心里,说:“这孩子将会成为怎样的人呢?因为主的手与他同在。”
66Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.
67撒迦利亚的预言他的父亲撒迦利亚被圣灵充满,预言说:
67Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
68“主,以色列的 神,是应当称颂的,因他眷顾自己的子民,施行救赎,
68Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69在他仆人大卫家中,为我们兴起救恩的角,
69Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
70正如主自古以来借圣先知口中所说的,
70(Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),
71救我们脱离仇敌,和恨我们的人的手;
71Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;
72向我们列祖施怜悯,记念他的圣约,
72Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73就是他对我们祖先亚伯拉罕所起的誓,
73Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,
74把我们从仇敌手中救拔出来,叫我们可以坦然无惧,用圣洁公义,在他面前一生一世敬拜他。
74Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,
75
75Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.
76孩子啊,你要称为至高者的先知,因为你要行在主的面前,预备他的路,
76Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
77使他的子民,因罪得赦,就知道救恩。
77Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,
78因我们 神的怜悯,使清晨的阳光从高天临到我们,
78Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[Na: niposahan']
79光照那坐在黑暗中死荫里的人,引导我们的脚,走上平安的路。”
79Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.
80这孩子渐渐长大,心灵健壮,住在旷野,直到他在以色列人中公开露面的日子。
80Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.