1耶稣基督降生(太1:18-25)
1Ary tamin'izany andro izany dia nisy didy navoak'i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran'ny vahoaka rehetra amin'ny fanjakany.
2这是第一次户口登记,是在居里纽作叙利亚总督的时候举行的。
2(Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)[Na: Ny tena fanoratana voalohany anefa dia]
3众人各归各城去登记户口。
3Dia samy nankany amin'ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
4约瑟本是大卫家族的人,也从加利利的拿撒勒上犹太去,到了大卫的城伯利恒,
4Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan'i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny taranak'i Davida sy ny mpianakaviny),
5与所聘之妻马利亚一同登记户口。那时马利亚的身孕已经重了。
5mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
6他们在那里的时候,马利亚的产期到了,
6Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.
7生了头胎儿子,用布包着,放在马槽里,因为客店里没有地方。
7Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
8天使向牧羊人报喜信在伯利恒的郊外,有一些牧人在夜间看守羊群。
8Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina.
9主的一位使者站在他们旁边,主的荣光四面照着他们,他们就非常害怕。
9Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
10天使说:“不要怕!看哪!我报给你们大喜的信息,是关于万民的:
10Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra;
11今天在大卫的城里,为你们生了救主,就是主基督。
11fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.
12你们要找到一个婴孩,包着布,卧在马槽里,那就是记号了。”
12Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;
13忽然有一大队天兵,同那天使一起赞美 神说:
13Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
14“在至高之处,荣耀归与 神!在地上,平安归与他所喜悦的人!”
14Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany. [Na: Fankasitrahana ho amin'ny olona]
15众天使离开他们升天去了,那些牧人彼此说:“我们往伯利恒去,看看主所指示我们已经成就的事。”
15Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika.
16他们急忙去了,找到马利亚、约瑟和那卧在马槽里的婴孩。
16Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
17他们见过以后,就把天使对他们论这孩子的话传开了。
17Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.
18听见的人,都希奇牧人所说的事。
18Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy.
19马利亚把这一切放在心里,反复思想。
19Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
20牧人因为听见的和看见的,正像天使对他们所说的一样,就回去了,把荣耀赞美归与 神。
20Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
21满了八天,替孩子行割礼的时候,就给他起名叫耶稣,就是他成胎之前,天使所起的。
21Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
22在圣殿奉献耶稣满了洁净的日子,他们就按着摩西的律法,带孩子上耶路撒冷去,奉献给主。
22Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo
23正如主的律法所记:“所有头生的男孩,都当称为圣归给主。”
23araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2)
24又照着主的律法所说的献上祭物,就是一对斑鸠或两只雏鸽。
24ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).
25在耶路撒冷有一个人,名叫西面,这人公义虔诚,一向期待以色列的安慰者来到,又有圣灵在他身上。
25Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.
26圣灵启示他,在死前必得见主所应许的基督,
26Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo.
27他又受圣灵感动进了圣殿。那时,耶稣的父母抱着孩子进来,要按着律法的规矩为他行礼。
27Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza,
28西面就把他接到手上,称颂 神说:
28dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
29“主啊,现在照你的话,释放仆人平平安安地去吧!
29Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao;
30因我的眼睛已经看见你的救恩,
30Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
31就是你在万民面前所预备的,
31Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra,
32为要作外族人启示的光,和你民以色列的荣耀。”
32Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
33他父母因论到他的这些话而希奇。
33Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.
34西面给他们祝福,对他母亲马利亚说:“看哪!这孩子被立,要叫以色列中许多人跌倒,许多人兴起,又要成为反对的目标,
34Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina
35(你自己的心也会被刀刺透,)这样,许多人心中的意念就要被揭露出来。”
35ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro.
36又有一个女先知,就是亚拿,是亚设支派法内利的女儿。她已经上了年纪,从童女出嫁,和丈夫住了七年,
36Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy,
37就寡居了,直到八十四岁(“就寡居了,直到八十四岁”或译:“就寡居了八十四年”)。她没有离开过圣殿,以禁食和祷告昼夜事奉主。
37ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina.
38就在那时候,她前来称谢 神,并且向期待耶路撒冷蒙救赎的众人,讲论孩子的事。
38Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
39他们按着主的律法办完一切,就回加利利,到自己的城拿撒勒去了。
39Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn'ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.
40孩子渐渐长大,强壮起来,充满智慧,有 神的恩典在他身上。
40Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy.
41孩童耶稣上耶路撒冷过节每年逾越节,他父母都上耶路撒冷去。
41Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
42当他十二岁时,他们按着节期的惯例,照常上去。
42Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny andro firavoravoana.
43过完了节,他们回去的时候,孩童耶稣仍留在耶路撒冷,他父母却不知道,
43Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
44还以为他在同行的人中间。走了一天,就在亲戚和熟人中找他,
44ary satria nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany.
45没有找到,就转回耶路撒冷找他。
45Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
46过了三天,才发现他在圣殿里,坐在教师中间,一面听,一面问。
46Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
47所有听见他的人,都希奇他的聪明和应对。
47Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
48他父母见了,非常惊奇,他母亲说:“孩子,为什么这样对待我们呢?你看,你父亲和我都很担心地在找你呢!”
48Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
49他说:“为什么找我呢?你们不知道我必须在我父的家里吗?(“在我父的家里吗?”或译:“以我父的事为念吗?”)”
49Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?[Na: eto amin'ny raharahan']
50但他们不明白他所说的话。
50Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy.
51他就同他们下去,回到拿撒勒,并且顺从他们。他母亲把这一切事,都存在心里。
51Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.[Na: taona]
52耶稣的智慧和身量,以及 神和人对他的喜爱,都不断增长。
52Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.[Na: taona]