聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Luke

3

1施洗约翰(太3:1-12;可1:3-5、7-8;约1:19-28)
1Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
2亚那和该亚法作大祭司的时候, 神的话临到撒迦利亚的儿子,在旷野的约翰。
2ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra.
3他就来到约旦河一带地方,宣讲悔改的洗礼,使罪得赦。
3Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka;
4正如以赛亚先知的书上写着:“在旷野有呼喊者的声音:‘预备主的道,修直他的路!
4araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
5一切洼谷都当填满,大小山冈都要削平!弯弯曲曲的改为正直,高高低低的修成平坦!
5Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
6所有的人都要看见 神的救恩。’”
6Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5).
7约翰对那出来要受他洗礼的群众说:“毒蛇所生的啊,谁指示你们逃避那将要来的忿怒呢?
7Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8应当结出果子来,与悔改的心相称;你们心里不要说:‘我们有亚伯拉罕作我们的祖宗。’我告诉你们, 神能从这些石头中给亚伯拉罕兴起后裔来。
8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
9现在斧头已经放在树根上,所有不结好果子的树,就砍下来,丢在火里。”
9Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
10群众问他:“那么,我们该作什么呢?”
10Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
11他回答:“有两件衣服的,当分给那没有的,有食物的也当照样作。”
11Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
12又有税吏来要受洗,问他:“老师,我们当作什么呢?”
12Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
13他说:“除了规定的以外,不可多收。”
13Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
14兵丁也问他:“至于我们,我们又应当作什么呢?”他说:“不要恐吓,不要敲诈,当以自己的粮饷为满足。”
14Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.
15那时众人正在期待,人人心里都在猜想会不会约翰就是基督。
15Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
16约翰对众人说:“我用水给你们施洗,但那能力比我更大的要来,我就是给他解鞋带都没有资格。他要用圣灵与火给你们施洗。
16dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
17他手里拿着簸箕,要扬净麦场,把麦子收进仓里,却用不灭的火把糠秕烧尽。”
17eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina.
18他还用许多别的话劝勉众人,向他们传福音。
18Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.
19分封王希律,因他弟弟的妻子希罗底,并因他自己所行的一切恶事,受到约翰的责备。
19Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20他在这一切事以外,再加上一件,就是把约翰关在监里。
20dia nanidy an'i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin'izany rehetra izany koa.
21耶稣受洗(太3:13-17;可1:9-11)众人受了洗,耶稣也受了洗。他正在祷告,天就开了,
21Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
22圣灵仿佛鸽子,有形体地降在他身上;有声音从天上来,说:“你是我的爱子,我喜悦你。”
22ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
23耶稣的家谱(太1:1-17)耶稣开始传道,年约三十岁,人以为他是约瑟的儿子,约瑟是希里的儿子,
23Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely,
24依次往上推,是玛塔、利未、麦基、雅拿、约瑟、
24zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa,
25玛他提亚、亚摩斯、拿鸿、以斯利、拿该、
25zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay,
26玛押、玛他提亚、西美、约瑟、约大、
26zanak'i Mata, zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda,
27约哈难、利撒、所罗巴伯、撒拉铁、尼利、
27zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery,[Gr. Salatiela]
28麦基、亚底、哥桑、以摩当、珥、
28zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,
29耶书、以利以谢、约令、玛塔、利未、
29zanak'i Jesosy, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy,
30西缅、犹大、约瑟、约南、以利亚敬、
30zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima,
31米利亚、买拿、马达他、拿单、大卫、
31zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,
32耶西、俄备得、波阿斯、撒门(“撒门”有些抄本作“撒拉”)、拿顺、
32zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona,
33亚米拿达、亚当民(有些抄本无“亚当民”一词)、亚兰(“亚兰”有些抄本作“亚珥尼”)、希斯仑、法勒斯、犹大、
33zanak'i Aminadaba, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda,[Na: (Arama)]
34雅各、以撒、亚伯拉罕、他拉、拿鹤、
34zanak'i Jakoba, zanak'isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora,
35西鹿、拉吴、法勒、希伯、沙拉、
35zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela,
36该南、亚法撒、闪、挪亚、拉麦、
36zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka,
37玛土撒拉、以诺、雅列、玛勒列、该南、
37zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.
38以挪士、塞特、亚当,亚当是 神的儿子。
38zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.