1耶稣受试探(太4:1-11;可1:12-13)
1Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
2那些日子他什么也没有吃,日子满了他就饿了。
2ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
3魔鬼对他说:“你若是 神的儿子,就吩咐这块石头变成食物吧!”
3Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
4耶稣回答:“经上记着:‘人活着不是单靠食物。’”
4Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3).
5魔鬼引他上到高处,霎时间把天下万国指给他看,
5Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.
6对他说:“这一切权柄、荣华,我都可以给你;因为这些都交给了我,我愿意给谁就给谁。
6Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
7所以,只要你在我面前拜一拜,这一切就全是你的了。”
7koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
8耶稣回答:“经上记着:‘当拜主你的 神,单要事奉他。’”
8Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20).
9魔鬼又引他到耶路撒冷,叫他站在殿顶上,对他说:“你若是 神的儿子,就从这里跳下去吧!
9Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
10因为经上记着:‘他为了你,会吩咐自己的使者保护你。’
10fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
11又记着:‘用手托住你,免得你的脚碰到石头。’”
11Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
12耶稣回答:“经上说:‘不可试探主你的 神。’”
12Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
13魔鬼用尽了各种试探,就暂时离开了耶稣。
13Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
14在加利利传道(太4:12-17;可1:14-15)耶稣带着圣灵的能力,回到加利利。他的名声传遍了周围各地。
14Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany.
15他在各会堂里教导人,很受众人的尊崇。
15Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra.
16在本乡遭人厌弃(太13:53-58;可6:1-6)耶稣来到拿撒勒自己长大的地方,照着习惯在安息日进入会堂,站起来要读经。
16Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
17有人把以赛亚先知的书递给他,他展开书卷找到一处,上面写着:
17Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
18“主的灵在我身上,因为他膏我去传福音给贫穷的人,差遣我去宣告被掳的得释放,瞎眼的得看见,受压制的得自由,
18Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
19又宣告主悦纳人的禧年。”
19Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2).
20他把书卷卷好,交还侍役,就坐下。会堂里众人都注视他。
20Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga.
21他就对他们说:“这段经文今天应验在你们中间(“中间”原文作“耳中”)了。”
21Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
22众人称赞他,希奇他口中所出的恩言,并且说:“这不是约瑟的儿子吗?”
22Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va Ity?
23他说:“你们必向我说这俗语:‘医生,治好你自己吧!’也必说:‘我们听见你在迦百农所行的一切事,也该在你本乡这里行啊!’”
23Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa.
24他又说:“我实在告诉你们,没有先知在他本乡是受欢迎的。
24Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny taniny.
25我对你们说实话,当以利亚的时候,三年六个月不下雨(“不下雨”原文作“天闭塞”),遍地大起饥荒,那时以色列中有许多寡妇,
25Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra;[Gr.nirindrina ny lanitra]
26以利亚没有奉差遣往他们中间任何一个那里去,只到西顿撒勒法的一个寡妇那里。
26nefa tsy mba nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena.
27以利沙先知的时候,以色列中有许多患痲风的人,其中除了叙利亚的乃缦,没有一个得洁净的。”
27Ary maro no boka teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany.
28会堂里的众人听见这话,都怒气填胸,
28Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin'ny synagoga, raha nandre izany,
29起来赶他出城(这城原来建在山上),他们拉他到山崖,要把他推下去。
29ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny havoana niorenan'ny tanàna, mba hazerany amin'ny hantsana.
30耶稣却从他们中间走过,就离去了。
30Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
31在迦百农赶出污灵(可1:21-28)耶稣下到加利利的迦百农城,在安息日教导人。
31Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata.
32他们对他的教训都很惊奇,因为他的话带着权柄。
32Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
33会堂里有一个被污鬼附着的人,大声喊叫:
33Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy
34“哎!拿撒勒人耶稣,我们跟你有什么关系呢?你来毁灭我们吗?我知道你是谁,你是 神的圣者。”
34ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
35耶稣斥责他说:“住口!从他身上出来!”鬼把那人摔倒在众人中间,就从他身上出来了,没有伤害他。
35Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
36众人都惊骇,彼此谈论说:“这是怎么回事?他用权柄能力吩咐污灵,污灵竟出来了。”
36Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
37耶稣的名声,传遍了周围各地。
37Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
38治病赶鬼(太8:14-17;可1:29-34)他起身离开会堂,进入西门的家。西门的岳母正在发高热,他们为她求耶稣。
38Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
39耶稣站在她旁边,斥责那热病,热就退了;她立刻起身服事他们。
39Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo.
40日落的时候,不论害什么病的人,都被带到耶稣那里;他一一为他们按手,医好他们。
40Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
41又有鬼从好些人身上出来,喊着说:“你是 神的儿子。”耶稣斥责他们,不许他们说话,因为他们知道他是基督。
41Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
42往别的城传道(可1:35-39)天一亮,耶稣出来,到旷野地方去。众人寻找他,一直找到他那里,要留住他,不要他离开他们。
42Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
43他却说:“我也必须到别的城去传 神国的福音,因为我是为了这缘故奉差遣的。”
43Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.Ary Izy nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia.
44于是他往犹太的各会堂去传道。
44Ary Izy nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia.