1呼召四个门徒(太4:18-22;可1:16-20;约1:40-42)
1Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy;
2他看见两只船停在湖边,渔夫离开船洗网去了。
2ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
3他上了西门的那一只船,请他撑开,离岸不远,就坐下,从船上教导众人。
3Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
4讲完了,就对西门说:“把船开到水深的地方,下网打鱼!”
4Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
5西门说:“主啊,我们整夜劳苦,毫无所得,不过,我愿照你的话下网。”
5Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
6他们下了网,就圈住很多鱼,网几乎裂开,
6Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
7就招呼另外那只船上的同伴来帮助,他们就来把两只船装满,甚至船要下沉。
7Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
8西门.彼得看见这种情景,就俯伏在耶稣膝前,说:“主啊,离开我,因为我是个罪人。”
8Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
9他和跟他在一起的人,因这网所打的鱼,都十分惊骇。
9Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony.
10西门的伙伴,西庇太的儿子雅各、约翰也是这样。耶稣对西门说:“不要怕!从今以后,你要作得人的渔夫了。”
10Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.
11他们把两只船拢了岸,撇下一切,跟从了耶稣。
11Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.
12治好痲风病人(太8:2-4;可1:40-45)有一次,耶稣在一个城里,突然有一个满身痲风的人看见他,就把脸伏在地上,求他说:“主啊!如果你肯,必能使我洁净。”
12Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
13耶稣伸手摸他,说:“我肯,你洁净了吧!”痲风立刻离开了他。
13Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay.
14耶稣嘱咐他不可告诉任何人,“你只要去给祭司检查,并且照着摩西所规定的,为你得洁净献祭,好向大家作证。”
14Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
15但他的名声却越发传扬出去,成群的人来聚集,要听道,并且要使他们的疾病痊愈。
15Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny.
16耶稣却退到旷野去祷告。
16Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
17治好瘫子(太9:2-8;可2:3-12)有一天,耶稣正在教导人,法利赛人和律法教师也坐在那里,他们是从加利利和犹太各乡村,并耶路撒冷来的;主的能力与他同在,叫他能医病。
17Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
18有人用床抬着一个瘫子,想送进去,放在耶稣跟前。
18Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
19因为人多,没有办法进去,就上了房顶,从瓦间把瘫子和床往当中缒下去,正在耶稣跟前。
19Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy.
20他看见他们的信心,就说:“朋友(“朋友”原文作“人”),你的罪赦了。”
20Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
21经学家和法利赛人就议论起来,说:“这人是谁,竟然说僭妄的话?除 神一位以外,谁能赦罪呢?”
21Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?[Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]
22耶稣知道他们的议论,就对他们说:“你们心里为什么议论呢?
22Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
23说:‘你的罪赦了’,或说:‘起来行走’,哪一样容易呢?
23Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
24然而为了要你们知道,人子在地上有赦罪的权柄,(他就对瘫子说:)我吩咐你,起来,拿起你的床,回家去吧。”
24Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
25那人立刻当众起来,拿着他躺过的床,颂赞 神,回家去了。
25Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra.
26众人都惊奇,颂赞 神,并且十分惧怕,说:“我们今天看见了不平常的事。”
26Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
27呼召利未(太9:9-13;可2:14-17)事后,耶稣出去,看见一个税吏,名叫利未,坐在税关那里,就对他说:“来跟从我!”
27Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.[Izahao Mat. 9,9]
28他就撇下一切,起来跟从了耶稣。
28Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
29利未在自己家里,为他大摆筵席,有许多税吏和别的人一起吃饭。
29Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
30法利赛人和经学家埋怨他的门徒,说:“你们为什么跟税吏和罪人一起吃喝呢?”
30Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
31耶稣回答:“健康的人不需要医生,有病的人才需要。
31Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
32我来不是要召义人,而是要召罪人悔改。”
32tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
33新旧的比喻(太9:14-17;可2:18-22)他们说:“约翰的门徒常常禁食、祈祷,法利赛人的门徒也是这样,而你的门徒却又吃又喝。”
33Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
34耶稣说:“新郎跟宾客在一起的时候,你们怎么可以叫宾客禁食呢?
34Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
35但日子到了,新郎要被取去,离开他们,那一天他们就要禁食了。”
35Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.[Na: Ny andro izay hanesorana]
36他又对他们设个比喻说:“没有人会从新衣服撕下一块布,补在旧衣服上,如果这样,不但新衣服撕破了,而且新撕下的布,也和旧的不调和。
36Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta.
37也没有人会把新酒装在旧皮袋里;如果这样,新酒就会把皮袋胀破,不但酒漏掉,皮袋也损坏了;
37Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
38人总是把新酒装在新皮袋里。
38Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.[Na: tsaratsara kokoa]
39喝惯陈酒的人,就不想喝新酒,他总说陈的好。”
39Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.[Na: tsaratsara kokoa]