聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Luke

6

1安息日的主(太12:1-8;可2:23-28)
1Ary tamin'ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny.[ Na: faharoa manaraka ny voalohany].
2有几个法利赛人说:“你们为什么作安息日不可作的事呢?”
2Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata?
3耶稣回答:“大卫和跟他在一起的人,在饥饿的时候所作的,你们没有念过吗?
3Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
4他不是进了 神的殿,吃了陈设饼,也给跟他在一起的人吃吗?这饼除了祭司以外,别的人是不可以吃的。”
4fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome he an'izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5他又对他们说:“人子是安息日的主。”
5Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
6治好手枯的人(太12:9-14;可3:1-6)另一个安息日,耶稣进入会堂教导人,在那里有一个人,右手枯干,
6Ary nony tamin'ny Sabata hafa koa niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tanana tao.[Gr. efa maina, na malazo]
7经学家和法利赛人要看他会不会在安息日治病,好找把柄控告他。
7Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
8耶稣知道他们的意念,就对那一只手枯干了的人说:“起来,站在当中!”那人就起来站着。
8Fa Jesosy nahalala ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.
9耶稣对他们说:“我问你们:在安息日哪一样是可以作的呢:作好事还是坏事?救命还是害命?”
9Ary hoy Jesosy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?
10他环视周围所有的人,就对那人说:“伸出你的手来!”他把手一伸,手就复原了。
10Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.
11他们却大怒,彼此商议怎样对付耶稣。
11Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesosy.
12选立十二使徒(太10:2-4;可3:16-19。参徒1:13)在那些日子,有一次耶稣出去到山上祷告,整夜祷告 神。
12Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
13天亮以后,他把门徒叫来,从他们中间挑选了十二个人,称他们为使徒,
13Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
14就是西门(又给他起名叫彼得),和他弟弟安得烈,以及雅各、约翰、腓力、巴多罗迈、
14dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo
15马太、多马、亚勒腓的儿子雅各、称为激进派的西门、
15sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,
16雅各的儿子犹大,和出卖主的加略人犹大。
16sy Jodasy, zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika. [ Na: rahalahin'i]
17论福论祸(太5:1-12)耶稣和他们下了山,站在平地上,有一大群门徒同他在一起,又有一大批从犹太全地、耶路撒冷和推罗、西顿海边来的人。
17Ary Jesosy niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny;
18他们要听他讲道,也要他们的疾病得医好。还有一些被污灵缠扰的也痊愈了。
18ary izay nampahorin'ny fanahy maloto dia nositranina.
19群众都设法摸他,因为有能力从他身上出来,治好众人。
19Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
20耶稣抬头看着门徒,说:“贫穷的人有福了,因为 神的国是你们的。
20Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
21饥饿的人有福了,因为你们要得饱足。哀哭的人有福了,因为你们将要喜乐。
21Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.
22世人为人子的缘故憎恨你们、排斥你们、辱骂你们,弃绝你们的名好像弃绝恶物,你们就有福了。
22Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.
23那时你们应该欢喜跳跃,因为你们在天上的赏赐是大的,他们的祖先对待先知也是这样。
23Mifalia ianareo amin'izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.[Na: miantsambora]
24“然而你们富有的人有祸了,因为你们已经得了你们的安慰。
24Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.
25你们饱足的人有祸了,因为你们将要饥饿。你们喜乐的人有祸了,因为你们将要痛哭。
25Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo.
26人都说你们好的时候,你们就有祸了,因为你们的祖先对待假先知也是这样。
26Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.
27当爱仇敌(太5:39-42)“只是我告诉你们听道的人:当爱你们的仇敌,善待恨你们的人。
27Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo;
28咒诅你们的,要为他们祝福,凌辱你们的,要为他们祷告。
28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.
29有人打你一边的脸,把另一边也转给他打;有人拿你的外衣,连内衣也让他拿去。
29Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
30向你求的,就给他;有人拿去你的东西,不用再要回来。
30Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
31你们愿意人怎样待你们,你们就应当怎样待人。
31Ary araka izay tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.
32如果单爱那些爱你们的人,那有什么好处呢?罪人也爱那些爱他们的人。
32Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.
33如果只善待那些善待你们的人,那有什么好处呢?罪人也会这样行。
33Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
34如果借给人,又指望向人收回,那有什么好处呢?罪人也借给罪人,要如数收回。
34Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
35你们要爱仇敌,善待他们;借出去,不要指望偿还;这样你们的赏赐就大了,你们也必作至高者的儿子,因为 神自己也宽待忘恩的和恶人。
35Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.[Na: aza manantena valiny]
36你们要仁慈像你们的父仁慈一样。
36Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
37不可判断(太7:1-5)“你们不要判断人,就必不受判断;不要定人的罪,就必不被定罪;要饶恕人,就必蒙饶恕;
37Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo;
38要给人,就必有给你们的;并且要用十足的升斗,连按带摇,上尖下流地倒在你们怀里;因为你们用什么升斗量给人,就必用什么升斗量给你们。”
38omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
39耶稣又用比喻对他们说:“瞎子怎能给瞎子领路呢?两个人不都要掉在坑里吗?
39Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?
40学生不能胜过老师,所有学成的,不过和老师一样。
40Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.
41为什么看得见你弟兄眼中的木屑,却想不到自己眼中的梁木呢?
41Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?
42你不看见自己眼中的梁木,怎能对你弟兄说:‘弟兄,容我除去你眼中的木屑’呢?伪君子啊!先去掉自己眼中的梁木,才能看得清楚,好去掉弟兄眼中的木屑。
42Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny maso'ny rahalahinao.
43坏树不能结好果子(太7:16-20,12:33-35)“因为好树不能结坏果子,坏树不能结好果子。
43Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.
44凭着果子就可以认出树来。人不能从荆棘上采无花果,也不能从蒺藜里摘葡萄。
44Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.[aviavimbazaha]
45良善的人从心中所存的良善发出良善,邪恶的人从心中所存的邪恶发出邪恶;因为心中所充满的,口里就说出来。
45Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.
46听道要行道(太7:24-27)“你们为什么称呼我‘主啊!主啊!’却不遵行我的吩咐呢?
46Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
47每一个到我跟前,听我的话并且去行的,我要指示你们他像什么人。
47Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:
48他像一个人建造房屋,挖深了地,把根基建在磐石上。大水泛滥的时候,急流冲击那房屋,不能使它动摇,因为它建造得好。
48Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.[Na: naorina teo ambonin'ny vatolampy izy]Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.
49但那听见而不遵行的,就像人在地上建屋,没有根基,急流一冲,就立刻倒塌,毁坏得很厉害。”
49Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.