1治好百夫长的仆人(太8:5-13)
1Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
2有百夫长所重用的一个奴仆,病得快要死了。
2Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
3百夫长听见耶稣的事,就打发犹太人中几个长老到他那里,求他去医治他的奴仆。
3Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
4长老们就来见耶稣,恳切地求他说:“你给他行这事,是他配得的,
4Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,
5因为他爱我们的人民,给我们建造会堂。”
5satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
6耶稣就和他们同去。离那家不远的时候,百夫长派几个朋友来说:“主啊,不必劳驾,因为你到舍下来,我实在不敢当,
6Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.
7我也觉得没有资格去见你;只要你说一句话,我的仆人就必好了。
7Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
8因为我自己是在别人的权下,也有兵在我以下;我对这个说:‘去!’他就去;对另一个说:‘来!’他就来;对我的仆人说:‘作这个!’他就作。”
8Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
9耶稣听见这些话,就很惊奇,转身对跟随的众人说:“我告诉你们,这样的信心,我在以色列中从来没有见过。”
9Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.
10奉派的人回到家里,见那奴仆已经好了。
10Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
11使拿因城寡妇的儿子复活后来耶稣往拿因城去,与他同去的有门徒和一大群人。
11Ary taoriana kelin'izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.[Na: (nony ampitson'iny)]
12他走近城门的时候,有人把一个死人抬出来,是个独生子,他母亲又是个寡妇。城里有一大群人陪着她。
12Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
13主看见了,就怜悯她,对她说:“不要哭!”
13Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
14于是上前按着杠子,抬的人就站住。他说:“青年人,我吩咐你起来!”
14Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
15那死人就坐起来,开口说话,耶稣就把他交给他母亲。
15Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
16众人都惊惧,颂赞 神说:“有伟大的先知在我们中间兴起来了!”又说:“ 神眷顾他的子民了!”
16Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
17于是这话传遍了犹太和周围各地。
17Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny amin'izany zavatra izany.
18约翰派门徒去见耶稣(太11:2-6)约翰的门徒把这一切事告诉约翰。他就叫了两个门徒,
18Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
19差他们往主那里去,说:“你就是那位要来的,还是我们要等别人呢?”
19Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
20两人来到耶稣跟前,说:“施洗的约翰差我们来问你:‘你就是那位要来的,还是我们要等别人呢?’”
20Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
21就在那时候,耶稣治好许多患疾病的、遭灾难的、身上有污鬼附着的,并且施恩给瞎眼的,使他们看见。
21Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
22耶稣回答他们:“你们回去,把看见和听见的都告诉约翰,就是瞎的可以看见,跛的可以走路,患痲风的得到洁净,聋的可以听见,死人复活,穷人有福音听。
22Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
23那不被我绊倒的,就有福了。”
23Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
24耶稣论约翰(太11:7-19)约翰差来的人走了以后,耶稣对群众讲起约翰来,说:“你们到旷野去,是要看什么?被风吹动的芦苇吗?
24Ary rehefa lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
25你们出去到底要看什么?身穿华丽衣服的人吗?这些衣服华丽,生活奢侈的人,是在王宫里的。
25Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[Gr. malemy]
26那么,你们出去要看什么?先知吗?我告诉你们,是的。他比先知重要得多了。
26Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
27圣经所记:‘看哪,我差遣我的使者在你面前,他必在你前头预备你的道路’,这句话是指着他说的。
27Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
28我告诉你们,妇人所生的,没有一个比约翰更大,然而在 神的国里最小的比他还大。”
28Lazaiko aminareo: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.
29众人和税吏受过约翰的洗礼,听见这话,就称 神为义。
29Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an'Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy.
30但法利赛人和律法师,未受过约翰的洗礼,就拒绝 神对他们的美意。
30Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon'i Jaona batisa izy.
31耶稣又说:“我要把这世代的人比作什么呢?他们好像什么呢?
31Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin'ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
32他们好像小孩子坐在巿中心,彼此呼叫,说:‘我们给你们吹笛子,你们却不跳舞;我们唱哀歌,你们也不啼哭。’
32Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
33因为施洗的约翰来了,不吃饭,不喝酒,你们说他是鬼附的。
33Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.
34人子来了,又吃又喝,你们说:‘你看,这人贪食好酒,与税吏和罪人为友。’
34Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.
35但 神的智慧,借着他的儿女就证实是公义的了。”
35Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny zanany rehetra.
36赦免犯了罪的女人(太26:6-13;可14:3-9;约12:1-8)有一个法利赛人,请耶稣同他吃饭,他就到法利赛人家去赴席。
36Ary ny Fariseo anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
37那城里有一个女人,是个罪人,知道他在法利赛人家里吃饭,就拿着一瓶香膏,
37Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
38站在耶稣背后,挨近他的脚哭,眼泪滴湿他的脚,又用自己的头发擦干,不住地吻他的脚,并且抹上香膏。
38ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra,
39请他的法利赛人看见了,心里说:“这人若是先知,必定知道摸他的是谁,是怎样的女人,因为她是个罪人!”
39Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
40耶稣对他说:“西门,我有句话要对你说。”他说:“老师,请说。”
40Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.
41耶稣说:“一个债主有两个债户,一个欠五百银币,一个欠五十。
41Nisy roa lahy nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
42他们都无力偿还,债主就把两人豁免了。他们之中哪一个更爱他呢?”
42Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?
43西门回答:“我想是那个多得恩免的。”耶稣说:“你判断对了。”
43Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
44于是转身向着那女人,对西门说:“你看见这女人吗?我进了你的家,你没有给我水洗脚,但这女人用眼泪湿了我的脚,用头发擦干。
44Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany.
45你没有和我亲嘴;但这女人,自从我进来,就不住地亲我的脚。
45Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
46你没有用油抹我的头;但这女人用香膏抹我的脚。
46Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
47所以我告诉你,她许多罪都蒙赦免了,因为她的爱多;那赦免少的,爱就少。”
47Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.
48耶稣就对她说:“你的罪赦免了。”
48Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
49跟他一起吃饭的人心里说:“这是谁,竟然赦罪呢?”
49Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
50耶稣对那女人说:“你的信救了你,平安地去吧!”
50Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.