聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Luke

10

1差遣七十二人
1Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
2耶稣对他们说:“庄稼多,工人少,所以你们应当求庄稼的主,派工人出去收他的庄稼。
2Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
3你们去吧!我差你们去,如同羊羔进入狼群。
3Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia.[ lopa]
4不要带钱囊,不要带口袋,不要带鞋,不要在路上问候人。
4Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
5无论进哪一家,先说:‘愿平安归与这家!’
5Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin'ity trano ity.
6那里若有配得平安的人(“配得平安的人”原文作“平安之子”),你们的平安就必临到他,不然,就归给你们。
6Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.
7你们要住在那家,吃喝他们所供给的,因为作工的理当得工资;不必从这家搬到那家。
7Ary mitoera ao amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
8无论进哪一城,人若接待你们,摆上什么,就吃什么。
8Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.
9要医治城中的病人,对他们宣讲:‘ 神的国临近你们了。’
9Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
10无论进哪一城,人若不接待你们,你们就出来到街上,说:
10Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe:
11‘连你们城里那粘在我们脚上的尘土,我们也要当着你们擦去。虽然这样,你们应该知道: 神的国临近了!’
11Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
12我告诉你们,当那日,所多玛所受的,比那城所受的还轻呢。
12Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna izany.
13责备不肯悔改的城(太11:21-23)“哥拉逊啊,你有祸了!伯赛大啊,你有祸了!因为在你们那里行过的神迹,如果行在推罗和西顿,他们早已披麻蒙灰,坐在地上悔改了。
13Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona.
14在审判的时候,推罗和西顿所受的,比你们所受的还轻呢。
14Fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
15还有你,迦百农啊!你会被高举到天上吗?你必降到阴间。
15Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao.[Gr. Hadesy]
16听从你们的,就是听从我;弃绝你们的,就是弃绝我;弃绝我的,就是弃绝那差我来的。”
16Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
17七十二人回来那七十二个人欢欢喜喜地回来,说:“主啊,因你的名,连鬼也服了我们。”
17Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
18耶稣说:“我看见撒但,像闪电一样从天坠落。
18Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
19我已经给你们权柄,去践踏蛇和蝎子,胜过仇敌的一切能力。绝对没有什么能伤害你们了。
19Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
20然而不要因为鬼服了你们就欢喜,却要因为你们的名字记录在天上而欢喜。”
20Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
21耶稣欢乐赞美天父(太11:25-27,13:16-17)就在这时候,耶稣因圣灵而欢乐,说:“父啊,天地的主,我赞美你,因为你把这些事向智慧和聪明的人隐藏起来,却向婴孩显明。父啊,是的,这就是你的美意。
21Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
22我父已经把一切交给我;除了父没有人知道子是谁,除了子和子所愿意启示的人,也没有人知道父是谁。”
22Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
23耶稣转过身来,悄悄地对门徒说:“看见你们所看见的,那眼睛有福了!
23Ary nitodika tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.
24我告诉你们,曾经有许多先知和君王,想看你们所看见的,却没有看到;想听你们所听见的,却没有听到。”
24Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
25好撒玛利亚人的比喻(太22:34-40;可12:28-31)有一个律法师起来试探耶稣,说:“老师,我应该作什么,才可以承受永生呢?”
25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
26耶稣对他说:“律法上写的是什么?你怎么念的呢?”
26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
27他回答:“你要全心、全性、全力、全意爱主你的 神,并且要爱邻舍如同自己。”
27Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
28耶稣说:“你答得对,你这样行,就必得生命。”
28Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
29那人想证明自己有理,就对耶稣说:“谁是我的邻舍呢?”
29Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
30耶稣回答:“有一个人从耶路撒冷下耶利哥去,落在强盗手中。他们剥去他的衣服,把他打得半死,撇下他一个人就走了。
30Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon'ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
31正好有一个祭司,从那条路下来,看见他,就从旁边走过去了。
31Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin'izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
32又有一个利未人,来到那里,看见他,也照样从旁边走过去了。
32Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
33只有一个撒玛利亚人,旅行来到他那里,看见了,就动了怜悯的心,
33Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
34上前用油和酒倒在他的伤处,包裹好了,把他扶上自己的牲口,带他到客店里照顾他。
34Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
35第二天,他拿出两个银币交给店主,说:‘请你照顾他,额外的开支,我回来的时候必还给你。’
35Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
36你想,这三个人,谁是那个落在强盗手中的人的邻舍呢?”
36Iza moa amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy?
37他说:“是那怜悯他的。”耶稣说:“你去,照样作吧。”
37Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.
38马大和马利亚他们走路的时候,耶稣进了一个村庄。有一个名叫马大的女人,接他到家里。
38Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo amin'ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
39她有一个妹妹,名叫马利亚,坐在主的脚前听道。
39Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
40马大被许多要作的事,弄得心烦意乱,就上前来,说:“主啊,我妹妹让我一个人侍候,你不理吗?请吩咐她来帮助我。”
40Fa Marta sahirana tamin'ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
41主回答她:“马大,马大,你为许多事操心忙碌,
41Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
42但是最需要的只有一件,马利亚已经选择了那上好的分,是不能从她夺去的。”
42nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.