1差遣十二使徒(太10:5-15;可6:7-13)
1Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
2差遣他们去宣讲 神的国和医治病人,
2Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
3对他们说:“不要带着什么上路,不要带手杖,不要带口袋,不要带食物,不要带银钱,也不要带两件衣服。
3Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
4无论进哪一家,就住在那里,直到离开。
4Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
5凡不接待你们的,你们离开那城的时候,当把脚上的灰尘跺下去,作为反对他们的表示。”
5Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin'izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
6于是他们就出去,走遍各乡,传讲福音,到处医治病人。
6Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
7希律的困惑(太14:1-2;可6:14-16)分封王希律听见所发生的一切事,犹豫不定,因为有人说:“约翰从死人中复活了。”
7Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty;
8又有人说:“以利亚显现了。”还有人说:“古时的一位先知复活了。”
8ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
9希律说:“约翰已经斩头了,但这是谁,我怎么会听到他这些事呢?”就设法要见他。
9Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
10给五千人吃饱的神迹(太14:13-21;可6:30-44;约6:1-13)使徒们回来,把所作的事报告耶稣。他带着他们,悄悄地退往伯赛大城去。
10Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin'i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin'ny tanàna atao hoe Betsaida.
11群众知道了,也跟了去。他接待他们,向他们讲论 神的国,医好需要医治的人。
11Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
12天将晚的时候,十二门徒来到他跟前,说:“请解散众人,好让他们往周围的田舍村庄,去找地方住,找东西吃,因为我们这里是旷野。”
12Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
13他说:“你们给他们吃吧!”他们说:“我们所有的,不过是五个饼两条鱼,除非去为这些人另买食物。”
13Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an'ireo olona rehetra ireo.
14原来男人就约有五千。他对门徒说:“叫他们一组一组地坐下,每组约五十人。”
14Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy.
15门徒就照他的话,叫众人坐下。
15Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.
16耶稣拿起这五个饼,两条鱼,望着天,祝谢了,擘开递给门徒,摆在众人面前。
16Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.[Na: nasiany]
17他们都吃饱了,把剩下的零碎拾起来,装满了十二个篮子。
17Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.
18彼得承认耶稣是基督(太16:13-19;可8:27-29)有一次耶稣独自祈祷的时候,只有门徒和他在一起。他问他们:“人说我是谁?”
18Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
19他们回答:“有人说是施洗的约翰,有人说是以利亚,还有人说是古时的一位先知复活了。”
19Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
20他又问他们:“你们说我是谁?”彼得回答:“是 神的基督!”
20Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra.
21耶稣预言受难及复活(太16:20-28;可8:30-9:1)耶稣郑重地嘱咐他们,不要把这事告诉人。
21Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona
22又说:“人子必须受许多苦,被长老、祭司长,和经学家弃绝、杀害,第三日复活。”
22ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.
23耶稣又对众人说:“如果有人愿意跟从我,就当舍己,天天背起他的十字架来跟从我。
23Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy.
24凡是想救自己生命的,必丧掉生命;但为我牺牲自己生命的,必救了生命。
24Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
25人若赚得全世界,却丧失自己,或赔上自己,有什么好处呢?
25Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na matiantoka, izany izy?[Na: ny fanahiny]
26凡是把我和我的道当作可耻的,人子在他与父并圣天使的荣耀里降临的时候,也必把他当作可耻的。
26Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.
27我实在告诉你们,站在这里的,有人在没有尝过死味以前必定要看见 神的国。”
27Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra.
28在山上改变形象(太17:1-13;可9:2-8)说了这些话以后约有八天,耶稣带着彼得、约翰和雅各,上山去祷告。
28Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
29正祷告的时候,他的面貌就改变了,衣服洁白发光。
29Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
30忽然有两个人和他谈话,就是摩西和以利亚。
30Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
31他们在荣光里显现,谈论他去世的事,就是他在耶路撒冷将要完成的。
31izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
32彼得和同伴都在打盹。醒过来之后,就看见他的荣光,并与他站在一起的那两个人。
32Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.[Na: Nony nahatsiaro tsara]
33二人正要离开他的时候,彼得对耶稣说:“主啊,我们在这里真好!我们可以搭三个帐棚,一个为你,一个为摩西,一个为以利亚。”他根本不知道自己在说什么。
33Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
34他说这话的时候,有一片云彩笼罩他们,他们入了云彩,门徒就害怕起来。
34Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
35有声音从云彩里出来,说:“这是我的儿子,我所拣选的(“这是我的儿子,我所拣选的”有些抄本作“这是我的爱子”),你们要听从他!”
35Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
36声音过了,只见耶稣独自在那里。在那些日子,门徒保持缄默,不把所看见的告诉任何人。
36Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany.
37治好癫痫病的小孩(太17:14-18;可9:14-27)第二天,他们下了山,有一大群人迎面而来。
37Ary nony ampitson'iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an'i Jesosy.
38在人群中有一个人喊叫说:“老师,求你怜悯我的儿子,因为他是我的独生子。
38Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masina Hianao, mamindrà fo amin'ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy.
39你看,污灵一抓住他,他就忽然喊叫,并且抽疯,口吐白沫;污灵又折磨糟践他,不肯放过他。
39Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.
40我求过你的门徒,把他赶出去,他们却办不到。”
40Ary nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany.
41耶稣说:“唉!这不信又乖谬的世代啊!我跟你们在一起,忍受你们,要到几时呢?把你儿子带到这里来吧!”
41Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.
42那孩子正走过来的时候,污鬼把他摔倒,使他重重地抽疯。耶稣斥责那污灵,把孩子医好,交给他父亲。
42Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.
43众人都惊奇 神的大能。众人还在希奇耶稣所作的这一切时,他对门徒说:
43Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
44第二次预言受难及复活(太17:22-23;可9:30-32)“你们要把这些话存在心里:人子将要被交在人的手里。”
44Ampidironareo ao amin'ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak'olona efa hatolotra eo an-tànan'ny olona.
45门徒不明白这话,因为这话的意思是隐藏的,不让他们明白,他们也不敢问。
45Nefa tsy azon'ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin'io teny io izy.
46门徒争论谁最大(太18:1-5;可9:33-40)后来,门徒起了意见,争论谁是最大的。
46Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy.
47耶稣看出他们的心意,就领了一个小孩子来,叫他站在自己旁边,
47Ary Jesosy nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
48对他们说:“凡因我的名接待这小孩子的,就是接待我;凡接待我的,就是接待那差我来的。谁是你们中间最小的,那人就是最大的。”
48ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
49约翰说:“主,我们看见有一个人奉你的名赶鬼,就禁止他,因为他不和我们一起跟从你。”
49Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
50耶稣说:“不要禁止他,因为不反对你们的,就是赞成你们的。”
50Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
51撒玛利亚人不接待主耶稣被接上升的日子快到了,他就决意向耶路撒冷去,
51Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an'i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
52并且差遣使者走在前头;他们去了,进入撒玛利亚的一个村庄,要为他预备。
52Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny vohitra anankiray izay an'ny Samaritana hamboatra ho Azy.
53那里的人不接待他,因为他面向着耶路撒冷走。
53Fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.
54他的门徒雅各、约翰看见了,就说:“主啊,你要我们吩咐火从天降下来,烧灭他们吗?”
54Ary raha hitan'i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?[Ampio hoe: toy ny nataon'i Elia]
55耶稣就转过身来,责备他们,
55Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy.[Ampio hoe: ka nanao hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo. Fa ny Zanak'olona tsy tonga hahavery ny ain'olona, fa hamonjy azy]
56然后他们就往别的村庄去了。
56Dia nankany amin'ny vohitra hafa Izy.
57要求跟从耶稣(太8:19-22)他们走路的时候,有一个人对他说:“你无论往哪里去,我都要跟从你!”
57Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.
58耶稣说:“狐狸有洞,天空的飞鸟有窝,人子却没有栖身的地方。”
58Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[volpa]
59他对另一个人说:“你跟从我吧!”那人说:“主啊,请准我先回去安葬我的父亲吧。”
59Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
60耶稣说:“让死人去埋葬他们的死人,你应该去传扬 神的国。”
60Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra.
61又有一个人说:“主,我要跟从你,但容我先回去,向家人道别。”
61Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
62耶稣说:“手扶着犁向后看的,不适合进 神的国。”
62Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.