聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Luke

12

1提防法利赛人的酵(太10:26-27)
1Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[Na: niteny tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema]
2没有什么掩盖的事不被揭露,也没有什么隐藏的事不被人知道。
2Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
3所以,你们在暗处所说的,必在明处被人听见;在内室附耳所谈的,必在房顶上宣扬出来。
3Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.
4应该怕谁(太10:28-31)“我的朋友,我告诉你们,那杀身体以后不能再作什么的,不要怕他们。
4Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
5我要指示你们当怕的是谁:当怕那杀身体以后,有权把人投入地狱里的;我告诉你们,应当怕他。
5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.[Gr. Gehena]
6五只麻雀,不是卖两个大钱吗?但在 神面前,一只也不被忘记。
6Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
7甚至你们的头发都一一数过了。不要怕,你们比许多麻雀贵重得多呢。
7Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
8要在人面前承认主(太10:32-33)“我告诉你们,凡在人面前承认我的,人子在 神的使者面前也承认他;
8Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;
9在人面前不认我的,我在 神的使者面前也不认他。
9Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.
10凡说话得罪人子的,还可以赦免;但亵渎圣灵的,必不得赦免。
10Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]
11人把你们拉到会堂、官长和当权者的面前,你们不要思虑怎样申辩或说什么话。
11Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
12到了时候,圣灵必把当说的话教导你们。”
12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.
13无知富翁的比喻群众中有一个人对耶稣说:“老师,请吩咐我的兄弟和我分家业。”
13Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
14耶稣说:“你这个人,谁立我作你们的审判官和分家业的人呢?”
14Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
15于是他对众人说:“你们要谨慎,远离一切贪心,因为人的生命并不在于家道丰富。”
15Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
16就对他们讲了一个比喻,说:“有一个富翁的田地丰收。
16Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
17他自己心里说:‘怎么办呢?因为我没有足够的地方收藏出产了!’
17Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
18又说:‘我要这样办:我要拆掉这些仓房,建造更大的,好在那里收藏我的一切粮食和货物。
18Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
19然后,我要对我的灵魂说:灵魂啊,你拥有许多好东西,足够多年享用,只管安安逸逸地吃喝快乐吧!’
19Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
20 神却对他说:‘无知的人哪,今天晚上,你拥有的就要取去你的灵魂,你所预备的要归给谁呢?’
20Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?
21凡为自己积财,在 神面前却不富足的,也是这样。”
21Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.
22不要忧虑,积财于天(太6:19-21、25-33)耶稣又对门徒说:“所以我告诉你们,不要为生命忧虑吃什么,也不要为身体忧虑穿什么。
22Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.
23因为生命比饮食重要,身体比衣服重要。
23Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
24你们想想乌鸦:它们不种也不收,无仓又无库, 神尚且养活它们;你们比飞鸟贵重得多了。
24Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
25你们中间谁能用忧虑使自己的寿命延长一刻呢?
25Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza? [Na: ny halavan'ny tenany] [Gr. hakiho iray]
26既然连这极小的事都不能作,为什么还忧虑其他的事呢?
26Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin'ny sisa?
27你们想想百合花,怎样不劳苦,也不纺织。但我告诉你们,就是所罗门最荣华的时候所穿的,也比不上这花中的一朵呢。
27Hevero ny fanirin'ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.[ Karazan'ny lilia]
28小信的人哪,田野的草,今天还在,明天就投进炉里, 神尚且这样给它装饰,何况你们呢?
28Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
29你们不要求吃什么,喝什么,也不要忧虑,
29Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.[Na: aza aingaingain'ny fanantenana foana]
30因为这一切都是世上不信的人所寻求的。你们的父原知道你们需要这一切。
30Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
31你们只管求他的国,这些东西都必加给你们。
31Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.[Na: (ny fanjakan'Andriamanitra)]
32你们这小群,不要怕,因为你们的父乐意把国赐给你们。
32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
33当变卖你们所有的施舍给人,为自己制造不朽坏的钱囊,积蓄用不尽的财宝在天上,就是贼不能近、虫不能蛀的地方。
33Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
34因为你们的财宝在哪里,你们的心也在哪里。
34Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
35忠心的仆人有福了(太24:45-51;可13:33-37)“你们的腰当束起来,灯也该点着,
35Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
36像等候自己的主人从婚筵回来一样,好叫你们在主人回来敲门时,立刻给他开门。
36ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay.
37主人来到了,看见仆人警醒,这些仆人就有福了。我实在告诉你们,主人必亲自束腰,招待他们吃饭,进前来侍候他们。
37Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
38主人也许半夜之前,或天亮之前回来,看见他们这样,这些仆人就有福了。
38Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
39你们都知道,家主若晓得窃贼什么时候来,就不会让他摸进屋里。
39Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
40你们也要准备妥当,因为在想不到的时候,人子就来了。”
40Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.
41彼得说:“主啊,你说这比喻,是为我们还是为众人呢?”
41Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
42主说:“谁是那忠心精明的管家,被主人指派管理家里的仆人,按时分粮呢?
42Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?
43主人来到的时候,看见他这样作,那仆人就有福了。
43Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
44我实在告诉你们,主人要指派他管理主人的一切财产。
44Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
45如果那仆人心里说:‘我的主人不会那么快回来’,就动手打其他的仆人使女,并且吃喝醉酒;
45Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
46在他想不到的日子、不知道的时间,那仆人的主人要来,严厉地处罚他,使他和不信的人同在一起。
46dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.[Na: hokapohiny mafy]
47那仆人知道主人的意思,却不预备,也不照他的意思行,必多受责打;
47Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
48但那不知道的,虽然作了该受责打的事,也必少受责打。多给谁就向谁多取,多托谁就向谁多要。
48Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
49将引起纷争(太10:34-36)“我来要把火投在地上,如果烧了起来,那是我所愿意的。
49Tonga hanipy afo etỳ ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady?[Na: ary inona intsony no iriko, raha mirehitra sahady izany?]
50我有应当受的洗,我是多么迫切地期待这事完成。
50Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
51你们以为我来是要地上有和平吗?不是的,我告诉你们,是要有纷争。
51Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
52从今以后,一家五口将起纷争,三个反对两个,两个反对三个。
52Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
53他们将起纷争:父亲反对儿子,儿子反对父亲,母亲反对女儿,女儿反对母亲,婆婆反对媳妇,媳妇反对婆婆。”
53Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
54当晓得分辨和判断(太16:2-3)耶稣又对众人说:“你们一看见西边有云彩升起来,就说:‘要下大雨’,果然这样;
54Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
55起了南风,就说:‘天要热了’,也果然这样。
55Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
56伪君子啊!你们知道分辨天地的气象,怎么不知道分辨这个时代呢?
56Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
57“你们为什么自己不能判断什么是对的呢?
57Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina? [Na: Nahoana ianareo no tsy mahay mitsara marina avy ao am-ponareo ihany?]
58你和你的对头去见官长,还在路上的时候,应当尽力向他求和,免得他把你拉到法官面前,法官把你交给差役,差役把你关在监里。
58Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
59我告诉你,除非你还清最后的一个小钱,否则决不能从那里出来。”
59Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.